Vavaka sy fifadiankanina /Des 23

FANDAHARAM-POTOANA VAVAKA SY FIFADIAN-KANINA
Zoma 22 Desambra 2023 ,9 Ora 30 mn – 3 Ora
“MIORENA TSARA, AZA MIOVA” I Kor. 15, 58
ANKALAZAO NY MPAMONJY

I- Amin’ny 9 ora 30 mn: Fanompoam-pivavahana fanombohana :

  • Feon-javamaneno fanombohana
  • Fiarahabana Apostolika
  • Fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra
     Salamo 66, 1-9
     Hira 171
     Vavaka fiderana
  • Fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra
     Deo. 30, 19-20
     Hira FIF 326
  • Fiaiken-keloka
     Vavaka
     Hira Fihirana Fifohazana 337
  • Famelan-keloka atolotr’Andriamanitra
     Eze. 18, 23 sy Eze. 37, 5-6
     Hira 79
  • Fanekempinoana Apostolika
  • Feon-javamaneno
  • Raharaha
     Rakitra :
    o Hira 67
    o Vavaka fanolorana ny rakitra
  • Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
     Hira 207
     Vavaka
     Soratra Masina:
    o Isa. 49, 1-6
    o Lio. 2, 15-20
    o Asa. 13, 44-48
     Hira 295
     Toriteny
     Feon-javamaneno
     Vavaka setrin’ny tenin’Andriamanitra sy fangatahana
  • Famaranana:
     Hira FF 26
     Tsodrano
    II- Amin’ny 10 ora 30 mn: Fampitam-baovao samihafa :

  • 1- Alahady 21 Janoary 2024: Fanompoam-pivavahana itondrana amim-bavaka ny Filohan’ny FJKM
    mianakavy sy ny taom-piasana 2024, eny amin’ny kianja TPM Ivato 
  • Manomboka amin’ny 7 ora – 9 ora maraina: asa sy fampaherezana
  • Manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina: fanompoam-pivavahana

  • 2-Alahady 28 Janoary 2024: fanokafana ny fambolen-kazo any Andanona

ZAIKABE SY FIHAONAMBE SAMIHAFA S.SA.A

DATY TOERANA SAMPANA
25-26 Jolay Vatomandry SLK
31 Jolay – 03 Aogositra Ranomafana Ifanadiana SVM
07-10 Aogositra Toliary SFL
12-14 Septambra Morondava SAMPATI
22-24 Aogositra Antananarivo Dorkasy
26-27 Aogositra Antsirabe STK
28-30 Aogositra Antananarivo SAFIF
04-07 Septambra Nosy-Be Sekoly Alahady
18-20 Septambra Ambositra Reninjaza Kristiana
06-08 Novambra Antananarivo AFF

III- Amin’ny 11 ora: Fampianarana:

Ankalazao Jesoa Kristy, Teny tonga nofo”

(Andriamatoa RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri)

(Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe)


IV- Amin’ny 12 ora: Fitondrana am-bavaka ny FJKM: (ifampizarana amin’ny mpanatrika)
1- Ho an’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe sy ny Mpiandraikitra Foibe:

  • Soratra Masina: Isa. 41, 9-10
  • HIRA 617: 1
  • Vavaka: olona roa (2) no mivavaka ho an’ny asan’ny FJKM
  • Soratra Masina: Fil. 2, 12-15
  • HIRA 617: 3
    Elanelanina Soratra Masina sy hira hatrany ireto vavaka ireto:
  • Vavaka ho an’ny Hazakazaka Masina, olona iray (1) no mivavaka
  • Vavaka ho an’ny fambolen-kazo sy ny tontolo iainana, olona iray (1) no mivavaka
  • Vavaka ho an’ny fiainam-pianakaviana, olona iray (1) no mivavaka
  • Vavaka ho an’ny fampamokarana, olona iray (1) no mivavaka
  • Vavaka ho an’ny fananganana ny Hopitaly FJKM, olona iray (1) no mivavaka
  • Vavaka ho an’ny fanatsarana ny Radio Fahazavana sy ny fananganana ny Fahazavana
    Televiziona, olona iray (1) no mivavaka
  • Vavaka ho an’ny Sekoly FJKM, olona iray (1) no mivavaka
  • Vavaka ho an’ny Departemantan’ny Mpiasa sy Vola ary Fananana, olona iray (1) no
    mivavaka
    3- Ho an’ny asan’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa FJKM:
  • Soratra Masina: Jao. 15, 1-8
  • HIRA Fihirana Fifohazana 183: 1, 4, 6
    Raha misy solotenan’ny SSA manatrika eo dia izy no mivavaka
    Elanelanina Soratra Masina sy hira hatrany ireto vavaka ireto:
  • Vavaka ho an’ny Sekoly Alahady, Fifohazana, Vokovoko Manga, Tanora Kristiana,
    Mpanazava sy Tily, Dorkasy, Lehilahy Kristiana, Fivondronana Laika, olona iray no mivavaka ho
    an’ny Sampana iray
  • Vavaka ho an’ny AFF, FFP, SAF, olona iray iray no mivavaka ho an’ny Sampanasa iray
  • Vavaka ho an’ny Trano Printy Imarivolanitra, Trano Fivarotam-boky Antso, FIVATSI,
    MFEE, KPMS, Tranombakoka sy Arsiva FJKM, TaPaZa, AkaFiTa, Aumônerie FJKM, AFiFaB,
    SeFaLa, olona iray iray no mivavaka ho an’ny Asa iray
    4- Ho an’ny fanavaozana ny ambaratongam-pitondrana 2024 eny anivon’ny ambaratongan-drafitra
    rehetra:
  • Soratra Masina: Jao. 15, 16
  • HIRA FF 34
  • Vavaka: olona roa (2) no mivavaka
    V- Amin’ny 1 ora 30 mn: Vavaka ho an’ny Firenena:
    1- Mba hahatsiaro hiantehitra sy hiverina amin’Andriamanitra ny vahoaka malagasy:
  • Soratra Masina: Isa. 55, 6-7 ; Jer. 9, 22-23
  • HIRA 313: 1, 5
  • Vavaka: olona iray (1) no mivavaka
    2- Mba hihavana sy hifamela heloka ny samy Malagasy:
  • Soratra Masina: Mat. 5, 23-24
  • HIRA 534: 1, 2
  • Vavaka: olona iray (1) no mivavaka
    3- Mba handala ny fahamarinana sy ny rariny ny olom-pirenena tsirairay:
  • Soratra Masina: Sal. 11, 7 ; Mat. 5, 33-37
  • HIRA 734
  • Vavaka: olona roa iray (1) no mivavaka
    4- Mba ho zina ny taom-pambolena ary hahavanona ny fihariana sy ny asa fivelomana
    andavanandron’ny tsirairay:
  • Soratra Masina: Eze. 36, 25-30 ; Jao. 3, 16
  • HIRA 313: 1, 5
  • Vavaka: olona iray (1) no mivavaka
    VI- Amin’ny 2 ora 15 mn: Asa sy fampaherezana (SaFiF)
    VII- Amin’ny 2 ora 55 mn: Famaranana:
  • HIRA 642: 1, 4
  • Hafatra sy Tsodrano

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra
Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV