Haona Fi, andiany 3

HAONA Fi tao TOAMASINA


Ny SP 31 Toamasina Vavahadin’ny Filazantsara indray no nandray ny Tsenabe HAONA Fi andiany
faha-3 izay natao teny anoloan’ny Mairie. Ny HAONA Fi dia fotoana iombonan’ny Fi rehetra : Fitiavana,
Fifaliana, Filazantsara, Finoana…..Efatra andro no faharetany izany, ny 15 -18 Aogositra 2023, ka hetsika maro no hita tao toy ny Fiofanana, Fifaninanana Soratra Masina, Fisarihana ny tapakila fidirana , ny rindran-kira ara-pilazantsara nifarimbonan’ireo antokom-pihira teo an-tanàna.
Niavaka ity HAONA Fi ity noho ireo Fiofanana maro samy hafa, Fitiliana, Fizahana maso, forazaza, izay
samy maimaimpoana avokoa.Tratra ny tanjona iombonana hoan’ny komity mpanomana ny HAONA Fi izay notarihin’ny avy any amin’ny Foibe, fa afapo ny tsirairay na hoan’ireo mpandray anjara tamin’ny TRANO EVA izay miisa 84, na ho an’ireo mpitsidika, tena hita ny Fiangonana manatona ny fiaraha-monina. Nahafinaritra ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpanohana tamin’ny LOKA NOZARAINA avy tamin’ny ORANGE Madagascar, ny LIBRAIRIE ANTSO ary ireo mpandray anjara hafa : (Tee- Shirt, Stylo, Sac, Téléphone………)
Ny tanjona dia hanatsarana ny foto-drafitrasa akanin-jazavavy ao anatin’ny SP 31. Fantatra ihany koa fa
ny andiany faha-4 ny HAONA Fi raha sitrapon’Andriamanitra dia hotanterahina any Mahajanga indray.

NIRINA, RF Toamasina

Perikopa 2023

Oktobra: AORENO AO AMIN'NY TOMPO NY FIANAKAVIANA

| | 01. Ala XVII man.Trinite
Gen 2.18-25/ Matio 5.31-32/ Efesiana 5.22-23

| | 08. Ala XVIII man.Trinite-Radio protestanta
Deoteronomia 24.1-4/ Marka 10.2-12/ Romana 15.14-21

| | 15. Ala XIX man Trinite-Masera MAMRE
Ohabolana 3.1-12/ Lioka 2.39-52/ Efesiana 6.1-4

| | 22. Ala XX man Trinite Sampana Fifohazana FJKM
Salamo 127.1-5/ Marka 10.13-16/ Kolosiana 3.18-25

FJKM Fahazavana

FJKM ISOTRY FITIAVANA

$('p:has("+ .verset")').css( {color: "red" } );