Jobily /Rakotonjanahary Vololoniana


Tontosa ny tsidi-bohitra faharoa


Notanterahina ny Sabotsy 01 jolay 2023 lasa teo ny Diabe na ny tsidi-bohitra faharoa izay
nanamarihana ny jobily fisotroan-drononon’i Vololoniaina Rakotonjanahary. 14 no isan’ny
mpandray anjara ary 03 no mpiseradia nanantanteraka ny fitarihana. Tamin’ny 08ora 30mn
no niainga teo amin’ny FJKM Ambatonakanga ny mpitsidika. Avy eo namakivaky ny
lalantsaran-dRasalama, nihazo an’Imarivolanitra toerana iray nanontana ny baiboly
voalohany sy ny gazety Teny Soa, nanaraka ny lalan’ny Tafondro raha hihazo an’ Andohalo,
ny cathédrale Andohalo, ny sekoly Razafindrahety ary ny maison Jean Laborde. Avy eo dia
nidina nitsidika ny Tranovato Ambonin’Ampamarinana. Nisy hatrany ny fanazavana ireo
toerana manan-tantara ireo. Vita izany dia nihazo ny FJKM Tranovato Ambohipotsy toerana
iray nanamarika ny fanenjehana ny fivavahana kristiana satria teo no nandefonana an’i
Rasalama Maritiora. Ny namaranana izao Diabe izao dia ny fitsidihana ny FJKM Tranovato
Faravohitra, izay toerana nandorana velona ireo Maritiora 04, ka nananganana izany
fiangonana izany ho tsangambato.
Nofaranana tamin’ny tsaingoka sy goka ny fitsidihana, izay isaorana be dia be ny Sampati
tao an-toerana. Ny komity dia mankasitraka etoana antsika rehetra namaly ny antso ary
indrindra isaorana an’Andriamanitra tamin’ny fahatontosan’ny fotoana rehetra.
Marihina fa nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny Tsidi-bohitra fahatelo sady farany
mankeny amin’ny Ecovillage Tsaratanana Ambohidratrimo izay saiky hatao ny 15 Jolay
2023.

Ny Komity

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV