Alahady 19 Martsa 2023

EFESIANA 4.17-24

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy

1-Manana ny fahamarinan’iKristy

« fa ianareo kosa dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy « (and20)

Fiaraha-monina nanjakan’ny fijejojejoana sy fahalotoam-pitondrantena samihafa ny tao Efesosy . Nanoloana izany dia nananatra ny kristiana tany i Paoly Apostoly mba tsy haka tahaka izany toetra izany satria mpianatr’i Kristy izy ireo . Araka izany ,ny olona manana ny fampianaran’i Kristy dia tsy manaraka ny fanaon’ny jentilisa fa manaraka ny fampianaran’i Kristy . Koa taomina ny kristiana rehetra izay efa nianatra tamin’i Kristy mba hiala amin’ny fanaon’ny Jentilisa izay maneho fahamaizinan-tsaina sy fitiavan-tena fa mba handeha araka ny fampianaran’iKristy kosa. Miala amin’ny filana mampisaraka amin’Andriamanitra .

2-Manana fiainam-baovao

« fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ny fanahin’ny sainareo » (and23)

Ny fiainam-baovao tiana ambara eto dia ny fiombonana amin’i Kristy izay mitarika ho amin’ny fiovan’ny toe-tsaina sy ny fomba fisainana .Tsy misy afa-tsy ny fahariana vaovao ataon’Andriamanitra anefa no hahatanteraka izany . Famafana ireo olombelona taloha ho tonga olom-baovao manana fahamarinana sy fahitsiana .Koa noho izany ,ny olona manana fiainam-baovao ao amin’i Kristy dia olona manana fiombonana tanteraka amin’i Kristy ,miaina ny fahamasinana araka an’Andriamanitra ,mihazona ny fahamarinan’ny fampianarana araka an’i Kristy .Izany hoe : manana toetra sy fomba fiainana vaovao mifanaraka amin’ny Filazantsara . Koa maneke hohavaozin’iKristy amin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina indray anio .

Fanontaniana :

Inona nosakana tsy anananofiainam-baovao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 18 Martsa 2023

EKSODOSY 21.12-37

Andriamanitra manafay ny mpanao ratsy

1-Mitaona azy hanaja ray amandreny (and15-17)

Eto dia ahitana didy momba ny fanajana ny ray amandreny , izany hoe: tsy mamely ny ray amandreny na manozona azy ireo .Ary raha misy manao izany dia « hatao maty tokoa« .Fahotana mahafaty eo anatrehan’Andriamanitra ny tsy fanajana ny ray amandreny .Noho izany , natao mafy dia mafy ny sazin’ny olona izay tsy maharaka izany ary izany no ampahatsiahivina ny mpino kristiana indray ary izany no ampahatsiahivina ny mpino kristiana indray ,mba samy hanaja ray amandreny daholo . Miteraka famaizana avy amin’Andriamanitra ny tsy fanajana ray amandreny, satria solotenan’Andriamanitra hiahy sy hikarakara ary hamelona ny zanany izy ireny .Koa raha mino an’i Jesoa Kristy ianao , hajao hatrany ny ray amandreny .

2-Mandrindra ny fiaraha-monina (and28-32)

Ahitana ny fepetra famaizana ny omby mamono olona na ny tompony voalaza eto , mandoa onitra ny tompon’ny omby raha efa zatra manoto ny ombiny sady torahambato ilay omby .Izany no natao mba hahatonga ny tompon’ny omby hitandrina sy hiambina tsara ny biby fiompiny ka tsy hamela azy ireny hanao ny tiany hatao . Ary izany koa no tokony hataon’ny mpino kristiana ho anao izay manana biby fiompy .Tandremo tsara ny biby fiompinao ,ka aza avela hirenireny sao manimba zavatra olona .Heloka eo anatrehan’Andriamanitra ny fisian’izany ary fahotana mahafaty ho an’ny tompon’ny biby ompiany .Koa fomba iray iainana ny finoana an’i Kristy ny fiarovana ny ain’ny hafa amin’ny biby ompianao sady ho fitandroana ny fiaraha-monina ihany koa .Ny fiainana ny finoana an’i Jesoa Kristy dia tsy misaraka amin’ny fanajana ny fiaraha-monina.

Fanontaniana :

Inona no mahatonga anao mbola maniratsira ray amandreny ? Ahoana ny fomba fanajanao ny fiaraha-monina misy anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

SP11/ FJKM Ankadimbahoaka

ALAHADIN’NY MPITANDRINA

Hotanterahana ny Alahady 26 Martsa 2023 ho avy izao ny Alahadin’ny Mpitandrina eto amin’ny FJKM ANKADIMBAHOAKA (SP AA 11) . Koa antsoina ny mpianakavin’ny finoana sy ny zanaka ampielezana ho tonga hiara-mivavaka hanome voninahitra an’Andriamanitra ,hitrotro amam-bavaka sy hanohana ny Mpitandrina mianakavy amin’ny endrika hita maso .Ny Fanompoampiavavahana dia miafara amin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompo .

Fidirana indroa : -7ora

-10 ora

« Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana ,fivavahana, fifonana, fisaorana ho an’ny olona rehetra …mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ho mpampianatra ny Jentilisa amin’ny finoana sy ny fahamarinana  » 1 Timoty 2.1,7

Zoma 17 Martsa 2023

ROMANA 5.15-21

Ny fanamarinana avy amin’Andriamanitra

1-Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

« …mainka ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana amin’ny fahasoavan’ny olona iray , dia Jesoa Kristy no tonga be ho an’ny maro kosa  » (and 15)

Tamin’ny alalan’i Adama no nidiran’ny ota tao amin’ny olombelona ka niteraka fahafatesana ,kanefa rehefa tonga i Jesoa Kristy , ilay fahasoavan’Andriamanitra ,dia nohamarinina maimaimpoana tamin’ny alalan’ny finoana Azy ny olombelona . Izany no antsoina hoe : « fahasoavana ». Hamarinina amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy isika . Ary izany no mahatonga ny olombelona rehetra taomina hino an’i Jesoa Kristy , satria izay mino an’i Jesoa Kristy , Ilay fahamarinan’Andriamanitra ihany no handray fanamarinana avy Aminy .Ny olona mino an’i Jesoa Kristy no nohamarinina maimaimpoana . Koa minoa an’i Jesoa Kristy dia handray fanamarinana avy amin’Andriamanitra ianao.

2-Manana fiainana mandrakizay

« …hanjakan’ny fahasoavana kosa amin’ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika  » (and 21)

Rehefa nohamarinin’Andriamanitra tamin’ny alalan’iJesoa Kristy ,araka ny fahasoavana nentiny ny olona dia manjaka ao anatiny ny fiainana mandrakizay .Tonga mpandova ny fiainana mandrkizay ilay olona mino . Koa na dia tsy mbola miaina izany amin’ny fahafenoana aza izy dia efa ao anatiny ny fiainana mandrakizay . Noho izany ,ny mpino kristiana izay efa nohamarinina tamin’ny finoana an’i Jesoa Kristy dia efa mpandova ny fiainana mandrakizay . Tsy ny ota izay mitarika ho amin’ny fahafatesana intsony no mibaiko ny fiainany fa ilay fiainana mandrakizay .

Fanontaniana:

Ahoana ny fiainanao ny fanamarinan’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 16 Martsa 2023

3 JAONA 1-8

Ny olona miaina ny fahamarinana

1-Mitondra fifaliana ho an’ny hafa

« fa faly aho fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao … » (and3)

*Nisy olona tonga tany amin’i Jaona Apostoly nitantara taminy momba ny toetran’i Gaio .Faly indrindra i Jaona satria hitan’ny olona fa miaina ny fahamarinan’ny Filazantsara io zanany io .Izany no mahatonga azy nanoratra nanambara ny fifaliany . Ny olo-marina dia fantatra amin’ny ataony sy ny toetrany ivelany.Ilay toetra miafina ao anaty dia lasa hita maso sy azon’ny olona vakiana ety ivelany .Miteraka fifaliana ho an’ny hafa toy ny ray amandreny ,ny mpampianatra,ny mpanabe…Koa iaino ny fahamarinan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy mba hahafaly ny manodidina ano raha mandre ny lazan’ny fahamarinanao

2-Mandray tsara ny iraky ny Tompo

« Ry malala , manao asa mahatoky ianao na amin’inona na amin’inona ataonao amin’ireo rahalahy ieo na dia vahiny aza izy  » (and 5)

Niangavian’i Jaona i Gaio mba handray ireo olona mba handray ireo olona nirahiny dia noraisin’i Gaio tsara tokoa izy ireo .Olona tsy mbola fantany akory ireo ,fa ny azo antoka dia olon’ny fiangonana sy efa nino an’i Jesoa Kristy ireo .Rehefa tonga teo aminy tokoa ireo dia noraisiny , nampiany tamin’izay rehetra nilainy , noraisiny toy ny rahalahy mihitsy.Tsy mizaha tavan’olona sy be fitoavana izy .Koa rehefa fantatrao fa iraky ny Tompo ny olona iray tonga eo aminao dia raiso tsara izy , karakarao tsara , ampio amin’izay manahirana sy mety ilainy aminao izy . Raha manao izany ianao no lazaina fa manao asa mahatoky eo anatrehan’i Jesoa Kristy Tompo .

Fanontaniana :

Ahoana ny toetranao rehefa mandray vahiny ao a-trano ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 15 Martsa 2023

LIOKA 12.41-48

Natao fanoharana ny amin’ny mpiambina i Jesoa mba hampitana fa tokony ho vonona mandrakariva ny olona amin’ny fotoana rehetra amin’ny fiavian’ny Tompo ka:

1-Fahasambarana no miandry izay mahatoky

Raha vakiana tsara ny mofonaina dia toa tsy namaly ny fanontanian’i Petera i Jesoa ,fa nohamafisiny indray kosa tamin’ny fanoharana hafa indray ilay efa teo aloha .Tsipihan’i Jesoa mazava tsara fa « ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina » dia mahatakatra ny hasarobidin’ny fotoana mbola hahazoany manao ny anjara fanompoana napetraka taminy (ny hifehy ny mpanompo namany sy hanome azy ireny anjara sakafo . Koa misikim-ponitra manatanteraka ny fanompoany izy amin’ny fotoanany sy araka ny tokony ho izy mba tsy ho tampoka aminy ny fiverenan’ny tompony ka ho tratra tsy manao izy . Taomina koa isika mandra-piverin’i Jesoa mba tsy ho varimbariana fa hanefa ny iraka napetrany tamintsika tsirairay raha mbola misy asan’i Jesoa tokony ataonao . Koa efao àry aza angatahana andro .

2-Famaizana no anjaran’izay manao kitoatoa

Mazava ny ilazan’i Jesoa ny amin’izay mpanompo tsy mahatoky dia izay nametrahana andraikiitra , kanefa manjehy ny andro ho lava ka sodoka amin-javatra hafa,manao izay hahafinaritra ny tenany , saingy nomena fahefana . Hita eto fa sady tsy mahavita ny andraikiny izy no manembatsembana ny hafa ( mikapoka ny namany ,tsy manome hanina) . Ity mpanompo ity anefa dia mahalala tsara fa tsy maintsy hiverina ny tompony . Taomina isika tsy hanao rainazy na zara fa vita ny fanompoantsika ary tsy ho sakana ho an’ny hafa koa .

Fanontaniana :

Diniho manokana ny tenanao ,manao ahoana ny fahavononanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 14 Martsa 2023

HOSEA 2.10-22

Mpaminany tao amin’ny fanjakana avaratra i Hosea . Ao amin’ny bokiny dia miseho ho tahaka ny vady tena tia Andriamanitra , ka ny Israely no vadiny amin’izany . Hita taratra ny ray tia ny zanany sady mikarakara azy ihany koa Izy .Mitaona antsika ny mpaminany eto mba :

1-Hitoetra ho mahatoky (and10)

« tsy fantany fa Izaho no nanome azy …kanjo nataon’ireo fanatitra ho an’i Bala izany  » , hoy ny Tompo .Maneho ny alahelony sy ny fahasaro-piarony Andriamanitra eto . Hevero tsara kosa hoe : manao ahoana ny toe-pon’ny lehilahy iray raha toa ka mividy firavaka volamena sy manome izay vola na zavatra hafa ilain’ny vadiny izy, kanefa ireny kosa dia omen’ilay vehivavy ho an’ny lehilahy hafa izay namparafesany ny vadiny izany . Fo vato tahaka ny inona no tsy halahelo ? (and12-15) .Tahaka izany mihitsy Andriamanitra amintsika , izy no manome ny zava-tsoa rehetra , nefa lasa ny olona indray no manompo zavatra hafa , izay heveriny fa hahaozna tombony be ( bala = andriamanitra ny fahavokarana )

2-Hody saina ka hiverina Aminy

Ny mahavariana amin’Andriamanitra dia izao : azony natao ny nanapaka avy hatrany ny fanekeny satria Izy no ampirafesina kanefa mahagaga fa Izy indray no miroso manao ny dingana rehetra hahatsapan’ny vadiny (isika izany) ny fahadisoany ka hiverenany Aminy , sady nampanantena fa handray azy amin’ny indrafo . Fitiavana tsy manam-paharoa izany , ka moa dia hotsinotsinoavinao ve ? Moa misy olombelona mahay mitia amin’ny tahaka izany ve ?

Fanontaniana :

Toerana manao ahoana no hametrahanao an’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM