Radio Fahazavana/25 Taona

AFiFaB FJKM

Mamarana ny jobily volafotsin’ny Radio Fahazavana

Ny Alahady 29 Janoary 2023 amin’ny 2 ora sy sasany eny amin’ny FJKM Atsimon’Imahamasina no hanatanterahana ny fotoam-pivavahana fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra ho famaranana ny jobily volafotsin’ny Radio Fahazavana. Hanafana ny fotoana ireo antoko mpihira samihafa toy ny Tsantan’Imahamasina avy ao amin’ny FJKM Ilanivato, ary ny Art’Fahazavana.

Tsiahivina fa ny Alahady 30 Janoary 2022 no natao ny fanokafana ny jobily teny amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Teny amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga kosa ny ivony ny Alahady 16 Septambra 2022. Entanina sy asaina araka izany ny mpianakavin’ny finoana sy ny besinimaro ho tonga hifanotrona amin’ireo mpiara-miasa rehetra sy ny komitin’ny faha-25 taona amin’izany fotoan-dehibe izany.  

Perikopa 2025

Febroary: MAMONJY NY TENIN'ANDRIAMANITRA

| | 16. Ala. VI man. Epifania - Arsiva FJKM
Isa. 55. 6-13 ; Jao. 6. 66-71 ; 2 Tim. 2. 8-13

| | 23. Ala. VII man. Epifania
Jos. 10. 8-11 ; Lio. 4. 31-37 ; 1 Jao. 2. 12-14

Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

| | 02. Ala. VIII man. Epifania
Oha . 1. 20 -33 ; Mat. 3. 7-12 ; Asa 26. 19-23

| | 09. Karemy. I
2Mpa. 17. 6-13 ; Lio. 5. 27-32 ; Apo. 3. 1-6