SAF/FJKM Alaotra Mangoro

Fametrahana Mpandrindra Faritra tao Alaotra Mangoro.

Ho fampivoarana sy ho fampandrosoana ny fiarahamonina ifotony, ny  Fiangonana amin’ny alalan’ny SAF/FJKM dia manana Sehatrasa 59 manerana an’i Madagasikara, izay ahitana tobim-pahasalamana sy Sehatrasa Fampandrosoana, ary ivon-toeram-piofanana.

Ho fanatsarana ny kalitaon’ny asa sy ho fampaharetana izany eo amin’ireo Sehatrasa dia nisy ny fametrahana Mpandrindra Faritra tao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, Dr ANDRIANJATOVO Fanja, izay hisahana ny fandrindrana ny asa rehetra tanterahana ao amin’ny Synodamparitany Mangoro Moramanga sy Alaotra Chrome.

Notanterahana araka ny fomban’ny Fiangonana ny volana desambra lasa teo izany, ka ny  Filoha Synodaly Mangoro Moramanga, Alaotra Chrome niaraka tamin’ireo solontena avy amin’ny Foibe FJKM sy ny SAF/FJKM no nitarika izany tamin’ny alalan’ny fanompoampivavahana.

Hohitarina amin’ireo Faritra hafa izao fomba fiasa izao.

« Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’ Andriamanitra. » Asa 20.24Fifandraisana

SAF

                                                                                                                              

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV