Fihaonambe Samp,Samp’Asa,Asa

01 sy 02 Novambra 2022

Ny FJKM Analamahitsy, Synodamparitany Iarivo Avaradrano SP. 19 no nampiantrano ny Fihaonambe faharoan’ny Komity Foiben’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa FJKM ny 1 sy 2 Novambra 2022. Miisa 600 teo ireo komity niatrika izany fihaonambe izany. Fiofanana, fifampizarana traikefa samihafa fa  indrindra fampitana ireo vina sy tanjona tian ‘ny FJKM ho tratrarina ato anatin’ izao 4 taona izao araka ny Synoda lehibe faha-19 tany Sambava. « mbola ho firenena Kristiana i Madagasikara amin’ny taona 2118” no vina fototra, ary ny vina 4 taona dia:  » Vontosy filazantsara i Madagasikara, Filazantsara manova ny tantara » ka namelabelarana ny hoe: FJKM manao ahoana ary no hilofosantsika hajoro ato anatin’ izao 4 taona izao,  » raha sitrapon’ny Tompo ka velona » isika (Jak. 4.15)

Ampiharo ny vinantsika 

Teo koa ny fampitovina fomba fijery ao anatin’ izao hazakazaka Masina ataon’ny Fiangonana izao. Araka ny fanazavan’ ny Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina, Filohan’ny FJKM, dia Fantarina, tohizana, ivelomana ary ampiharina ireo vina. Anisan’ izany  ny 2F 2T mahakasika ny fahamarinana, ny fianakaviana, ny Tanindrazana ary ny tontolo iainana. Ifotoran’ny FJKM koa ny sehatry ny fanabeazana. 

Maro koa ireo tetikasa efa natao sy vao hatao ao anatin’ izao taom-panompoana izao ary nentanina tamin’ izany  ny mba hananan’ny sehatra rehetra eto anivon’ny FJKM loharanom-bola maharitra ka hijerena izay fampamokarana rehetra. Ilaina ny fanananay fomba fijery Mitovy, hoy izy, mba afahana miara-mientana. Atao izao fifanofanana izao satria ambaratongam-pitondrana lehibe eo amin’ny sehatra misy azy avy ny fanapahan-kevitra ataon’ny komity foibe manentana sy mibaiko ny fandroson’ny sehatra misy azy avy. 

Tanjona kendren ‘ny FJKM amin’ izao fihaonambe izao ny tsy hametraka fotsiny ny vina fa hamaritra mazava izay ho tanterahina tsara amin’ny fomba azo refesina ka ny vokatra ho azo amin’ izany dia hanova tokoa ny tantaran’ireo sehatr ‘asa ireo sy ny Fiangonana ary ny firenena. 

Angonkevitra sy fampahafantarana:

Nisy koa ny angon-kevitra fa tsy fanapahan-kevitra  ho fampandrosona ny asan’ ny fiangonana sy ireo Sehatr’asa ireo natao nandritra izany 

Zava-dehibe koa ny famaritana mazava ireo sehatra asa ireo. Nisy araka izany ny fampahafantarana ireo sampana  8 eo anivon’ny Foibe FJKM sy ireo toniany ary ny asany avy. Ireo Sampanasa 4 ary ireo asa marobe eo anivon’ny Foibe FJKM izay  manana  ny Taleny avy, ary manana birao tarihan’ny filohany avy koa izay samy hiandrandrana ny firotsahany an-tsehatra eny amin’ny fiaraha-monina, hiivo ao amin’ i Kristy hanova sy hampitsimbadika ny tantara ho amin’ny fahatsarana noho ny fiainan’ izy ireo ny Filazantsara. 

Veronica A 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV