Alahadin’ny SAFIF 2022

Fandaharana iombonana

Alahady 23 Oktobra 2022

Havaozy ny fanompoan’ny Fiangonana

Hira faneva faha-40T

Fiarahabana Apostolika : 2 Kor 1.2

Salamo 103.17-22

Hira Fif 2

Vavaka

Hira 328.1,2

Vavaka

Vakiteny : 2 Tanta 15.8-9/ Mat 5.21-26/ 1 Pet 4.7-11

Hira Fif 326.1,3

Toriteny

Vavaka fifonana

Hira Fif 320.1,4

Famelankeloka : Eze 36.25-27/Sal 32.1,2

Hira Fif 324.1,2

Fanekempinoana , Lah 3

Raharaham-piangonana

Famakiana ny Hafatra

Raharaha samihafa

Rakitra ( Hira seham-panabeazana,Antoko pihira…)

Fanolorana ny Rakitra :Hira Fif 10.5

Asa sy Fampaherezana : Hira FF ‘,15,33,34,16

Famaranana

Hira Fif 145.1-4

Tsodrano :Nom 6.24-26

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra

…………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………….

HAFATRA SAFIF 2022

« Mifohaza tsara, miorena tsara aza miova ary mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo. » I Kor. 15 : 34a ; 58

Miara-misaotra an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy masina isika noho ny famindram-pony sy ny fahasoavany ka mitahiry antsika ho amani’ny fiainana. Iaraha-miaina tokoa ny endri-pahasahiranana ankehitriny. Saingy tsy sakana ho Azy Tompo tsy hitahy antsika izany ; ary dia tsy hahasakana antsika koa tsy hamompo tsara Ilay efa niantso sy nifidy antsika.

Mifampiarahaba àry isika amin’izao andro natokana hitrotrona am-bavaka sy hanohanana ny asan’ny Sampana Fifohazana FJKM izao. Ity taona 2022 dia taona nisedran-java-tsarotra tokoa. Teo ny mbola vesatry ny akon’ny valan’aretina ; eo ny rivo-doza samihafa izay hahasimban-javatra maro, eny namoizan’ain’olona aza, teo ny fiakaran’ny vidim-piainana. Ireny rehetra ireny no mbola ijoroantsika Fifohazana miasa, ary miasa hatrany. Koa dia isaorana ny Tompo fa afaka nanatanteraka izay mba nokasaina isika, raha tsy hitanisa izay tena nisongadina toy ny :

– Famitana sy ny Fitokanana ny Trano Fiangonana Tsimafana

– Ny fanarenana ny Toby tany Mananjary

– Ny Fihaonambe tany Mahajanga

– Ny Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-40 taona izany natao tany Mahajanga ihany koa.

Etoana no anehoana fisaorana sy fankasitrahana antsika rehetra izay nahatsiaro am-bavaka, nandray anjara araka izay azo natao, nifanotrona tamin’ireny asa rehetra ireo.Miatrika ny ho avy isika. Mifampivavaka sy mifampahery hatrany ny amin’ny fijoroana ho vavolombelona takina sy andrasan’ny Tompo amintsika. Mampahery antsika amin’ireo asa iombonana eto amin’ny Foibe SaFiF. Mbola mitohy ny ezaka amin’ny famitàna ny tsangambaton’ny faha-40 taona. Samia miezaka ry havana. Hankalaza an’Andriamanitra noho ny faha-30 taona ny Toby Ibora isika amin’ny taona ho avy koa samia miomana dieny izao. Iombonantsika rehetra ihany koa ireo ezaka samihafa amin’izany.

Isaorana sahady ny fandraisantsika anjara amin’ny rakitra, adidy fanao isan-taona.Tsy ho sasatra ihany koa anefa ny manafatra antsika ny amin’izay hijoroantsika ho tena mifoha marina ka ho tena fahazavan’izao tontolo izao. Mirary ny fitahian’ny Tompo ho amintsika rehetra


Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra !


Ny Filoha,

RAKOTONDRAMANANA Arijaona , Mpitandrina

Ny Tonia,
RAKOTONDRAMANANA, RANOMENJANAHARY Soloforado Martial, Mpitandrina


Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV