Alarobia 21 Septambra 2022

LIOKA 14.15-24

« Sambatra izay hihinan-kanina ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra  » (and 15b)

Ny fanasana ao amin’ny fiainana mandrakizay

1-Miantefa amin’ny olom-boantso

« Ary naniraka ny mpanompony izy …hilaza amin’izay efa nasaina » (and 17) .Ireto sokajin’olona voalaza voalohany amin’ny fanasana ireto dia azo ambara fa ireo izay efa fabtatry ny mpannasa akaiky ny momba azy .Indrisy anefa fa nandiso fanatenana izy ireo .Tsy nahakivy ny mpanasa sy ny iraka mpampita hafatra ny fangatahana andro sy fialan-tsiny nataon’izy ireo .Aza atao ambanin-javatra ny antson’ny Tompo aminao .Aza mangataka andro lava.

2- Miantefa amin’ireo voalilika

Ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa (and12) .Tsy misy fizahana tavan’olona ao amin’ny fanajakn’Andriamanitra fa manana anjara ao ireo voailiky ny fiarah-monina sy ireo anjorombala .Ambaran’i Jesoa fa an’ireny malahelo am-panahy irenu ny fanjakan’ny lanitra (Mat 5.5) .Mila mikely aina mitory amin’ireny mahantra sy sahirana ireny isika .

3-Miantefa amin’ny Jentilisa

Mandehana ho eny amin’ny lalambe sy ny sisimboly , ka tereo ny olona hiditra , mba ho feno ny tranoko (and23) . Fifalian’ny Tompo mihitsy ny mahatafavory ny olona maro ho ao amin’ny fanjakany . Ftoriana amin’ny olona rehetra sy ny olona manontolo no adidintsika .Ny mpitory ny Filazantsara dia tsy maintsy mampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tomô azy hatrany amin’ny faran’ny tany .

Fanontaniana:

Ia avy ireo anjorombala hanirahan’ny Tompo antsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2023

Jona: IORENAN'NY FAHAFAHANA NY TOMPO

| | 04. Ala.Trinite
Mpits 4.14-24/ Jao 8.31-38 / Asa16.16-24

| | 11. Ala.II man. Trinite - SEKOLY FJKM
Sal 66. 8-12 / Jao 8.1-11 / Asa 16.25-34

FJKM Fahazavana

Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina