Alahady 21 Aprily 2024

Efesiana 5, 8-14

Isika ankehitriny:

1- Efa mazava ao amin’ny Tompo

« Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ny Tompo kosa ankehitriny » (and.8a). Sitraky ny Tompo ny hisian’ny fanazavana eto amin izao tontolo izao: Nosarahany ny mazava sy ny maizina araka ny Gen 1, 18. Tsy afaka miaraka ny maha kristiana sy ny fandehanana amin’ny fanao ratsy. Izay efa tena nandray an’llay hazavana avy amin’ny Jesoa dia afaka amin’ny zava-dratsy rehetra.

2-Mamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo

Mampiavaka ny zanaky ny mazava ny famantarana hatrany izay sitraky ny Tompo amin’izay ataony rehetra (and 10). Namela fianarana ho antsika Jesoa mahakasika izany. Na teo aza ireo fotoana sarotra natrehany dia nisafidy ny hanatanteraka ny sitraky ny Ray hatrany Izy. Eny, na dia mafy taminy aza izany. Tsarovy fa sady mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra isika no manaiky ary manaraka tsara izany.

3-Efa tena mifoha tsara

« Mifohaza ianao izay matory » (and 14a): Ny hoe mifoha dia ilazana ireo olona izay niaina tamin’ny torimaso aloky ny fahafatesana ka niarina indray ary afaka manohy ny asa aman-draharaha samihafa. Ny mpino izay efa nesorin’ny Tompo hiala amin’ny maizina, misafidy ny hamantatra ny sitrapony ary manaiky ny fitarihany dia tsy miandry fohazina lava fa tena olona afaka amin’ireo endrika torimaso samihafa; mandini-tena faingana raha toa somary variana ary dia manatanteraka ny fanompoana. Mifohaza tsara! Mandehana amin’ny fahamarinana sy fahamasinana.

Fanontaniana

Inona avy ireo mampiavaka ny olona efa afaka amin’ny atzina?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV