Alakamisy 18 Aprily 2024
2Korintiana 4.1-6
Izay manana ny fahazavan’ny Tompo dia:
1-Mandà ny asa miafina misy fitaka
Ambaran’i Paoly ary amafisiny eo amin’ny and 2 ny fandávany ny amin’izay endrika hisehoan’ny fitaka ataon’ny fahavalon’ny Tenin’Andriamanitra ka hoy izy hoe « fa nolavinay ny zavatra takona mahamenatra na manatsatso ny tenin’Andriamanitra. Nasehon’i Paoly teo amin’izay tontolo nanirahana azy ny manambara ny fahamarinana dia ny Tenin’Andriamanitra; ary nampirisihany ny rehetra koa izany. Isika izay efa nohazavain’i Kristy mitoetra ao amin’ny mazava, ambarao amin’ny manodidina anao ny fahazavany mba hananany fiainana feno fahazavana, ary meteza ianao ho vavolombelon’izany. Aoka hazava eo imason’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra izay atao, halaviro ny asa miafina misy fitaka.
2-Tsy mahay manandra-tena
Miorina ao amin’i Kristy izay torian’i Paoly (miivo ao amin’i Kristy) araka izay ambarany eo amin’ny and 5 hoe: « fa tsy ny tenanay no torianay fa Jesoa Kristy Tompo ». Tsy mba nanandra-tena i Paoly tao anatin’ny fanompoana izay nekeny, fa Jesoa Kristy no nasandrany. Maneho ny maha Tompon’ny fahefana fara tampony an’i Jesoa ny Apostoly. Ho antsika izay manana ny fahazavana avy amin’ny Tompo ihany koa dia tokony tsy ho feno fanandratan-tena amin’izay atao; tsy mahasoa ny mpanompon’ Andriamanitra izany.
Fanontaniana:
Tamin’ny fahamarinana ve nanaterahanao ny asa fanompoanao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe