Alarobia 17 Aprily 2024

Romana 13. 11-14

Ny zanaky ny mazava:

1-Mino fa efa ho lasa ny alina

Ny alina izay ambara eto dia ny fotoana izay anjakan’ny ratsy, fotoanan’ny aizina sy ny faharatsiana. Mifanohitra amin’ny andro ho avy izany, dia ny andron’ny Tompo, izay hidirany an-tsehatra hamonjeny ny olony sy hitsarana ny fahavalo. Taomin’ny mpanoratra ny mpamaky mba hamela ny asan’ny maizina, fa efa ho lasa ny alina. Tokony hanana fahavononana hatrany ny zanak’Andriamanitra, sady tsy maintsy hamela ny asan’ny maizina (Lio 12.35). Ny Tompo dia manazava ny zanaky mazava ho amin’ny fahavononana mandra-piaviny. Ny fahefan’ny alina (ratsy) dia tsy hanan-kery intsony; koa mino àry ankehitriny fa efa ho lasa ny alina, mivonona hitafy ny fiadian’ny mazava.

2- Mitafy ny fiadian’ny mazava

Manana fiainana modely eo anivon’ny aizina, dia fiainana mendrika izay manavaka ny zanaky ny mazava (and 13). Tsy maintsy mandao ny fitondran-tena toy ny filalaovan-dratsy. fahamamoana, fijangajangana, fijejojejoana, fifandirana, ary fialonana; fa hitafy an’i Jesoa Kristy ilay fahazavana. Tokony hitafy an’i Kristy mandrakariva isika, manapa-kevitra ny hiaina eo amban’ny fahefany ary mamela an’i Kristy hifehy ny lafim- piainantsika manontolo. Ho antsika manaiky ho zanaky ny mazava, itafio Jesoa Kristy, ary aoka ho hita taratra eo amin’ny maizina ianao, ka ho modely halain-tahaka.

Fanontaniana:

Nitondra inona teo amin’ny fiainanao ny fahazavan’i Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM