Talata 16 Aprily 2024

Salamo 43. 1-5

Tohin’ny voalaza ao amin’ny Salamo 42 ny Salamo 43. Raha tafa tao anatin’ny fahanginana ny Salamo 42, ny Salamo 43 kosa resaka mivantana atao amin’ny Tompo. Fitarainana ny Salamo 42. fa vavaka kosa ny Salamo -43.

I- Vavaka fangatahana fanafahana (and 1-2)

Ny mpanao Salamo eto dia mitondra ny olany tamin’ilay mpitsara tsy miangatra, ka nitaky ny fampiharana ny fahamarinana sy fanomezana ny rariny. Mangataka anun’Andriamanitra izy mba hanafaka aminy amin’ireo fahavalony, dia ireo firenena tsy misy famindram-po (tsy mivavaka, DIEM). Izao vavaka fangatahana fanafahana izao dia famerenana ihany satria efa voalaza teo amin’ny Salamo 42 and 9. Andriamanitra no mpiaro sy manafaka, araka izay asehon’ny mpanao Salamo eto amin’ny alalan’izao vavaka izao. Tsarovy koa fa ny fahazavana omen’Andriamanitra anao dia mitondra anao ho amin’ny fanafahana

2- Vavaka fangatahana fiarovana

Fangatahana fiarovana no asetrin’ny mpanao Salamo eto amin’ny tapany faharoa (and 3-4): maniry ny fitarihan’ Andriammanitra amin’ny fahazavany sy ny fahamarinany mba hampisava ny aizina manodidina, hahitany ny lalan-kombana, ka hanome tolo-tsaina sy fiarovana ho ao amin’ny tendrombohitra-masina (and 3).

Ho safononoka ny hafaliany satria eo Andriamanitra hanome fiarovana azy ireo ka ho afaka maneho ny talentany ho fiderana ny Tompo (and. 4). Ho valian’Andriamanitra ny fangatahanao, miaro sy manazava ny fiainanao izy. Koa miorena tsara, aza miova fa ny Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andritsika. Miaro anao izy.

Fanontaniana

Inona avy ireo vavaka efa nasandratrao tamin’Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV