Alakamisy 30 Jona 2022

2Tantara 13. 4-18
Mampanjaka ny fahefany ny Tompo

Niady i Abia mpanjakan’i Joda sy Jeroboama mpanjakan’Isiraely. Hitantsika ao anatin ity tantara ity fa

1- Mamonjy izay mila vonjy Aminy Andriamanitra

Eo amin’ny and 14 dia voalaza fa voahodidin’ny fahavalo Abia sy ny miaramilany . Noheverina fa tsy ho tafavoaka intsony izy . Nitaraina tamin’i Jehovah izy ireo ary handray andraikitra Andriamanitra. Voambara mihitsy aza eo amin’ny and 15 fa Andriamanitra no niditra an-tsehatra namely ny an i Jeroboama sy ny Isiraely, Rehefa tojo zava-tsarotra isika ka miantso an’ Andriamanitra dia mandray andraikitra Izy. »Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana, dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao » (Sal 50.15)

2- Mandresy izay miaraka Aminy

Samy vahoakan Andriamanitra na ny Isiraely, tao amin’ny fanjakana Avaratra na ny Joda tao amin’ny fanjakana Atsimo. Fa niavaka eto ny Joda satria niantso sy nifikitra tamin Andriamanitra, eny nisafidy hiankina Aminy. Tsy voatery ho any ivelany ny fahavalonao fa mety eo akaiky ihany koa. Izay ampianarin’ny Tompo aminao anio dia izao : Tsy ataon’Andriamanitra zava-bitika ny fiankinanao Aminy. Ary izany no hametrahantsika ny fiainantsika amin’i Jesoa satria raha Izy no momba antsika dia tsy hisy hahatohitra antsika (Rom 8.31)

Fanontaniana

Inona no andrasanao ka tsy hiantsoanao Azy ankehitriny?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 29 Jona 2022

Lioka 7.36-50
Herin’ny ranomaso

« Ary nijanona feo ivohony tanilan’ny tongony izy ka nitomany. dia nahakotsa ny tongony tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany... » (Lioka 7.38)

Vehivavy manao ahoana loatra ity voalaza eto ity? Eo amin’ny and.39 no mamaly izany vehivavy mpanota ary efa fanta-poko fanta-pirenena. Nitomany izy! Tomany na ranomaso Ny tomany na ranomaso dia fanehoana alahelo na sorisory na koa fitiavana mivaivay na hafaliana tafahoatra, izany hoe vokatry ny fihetseham-po ny tomany sy ranomaso. Eto raha ny zava-misy no jerena dia vokatry ny fahatsapana ny fitiavan’i Jesoa .Vavaka sy ranomaso : Fomba iray anehoana ny ao am-po lalina rehefa mivavaka ny ranomaso. Ny sento lalina ao am-po rehefa mivavaka ka toa voaloatra ny aty fo rehetra no anton’ny tomany. Raha vavaka fisaorana dia lahatsapana lalina ny Fitiavan’i Kristy satria tsy misy mendrika ny fanavotany na iray aza. Raha fitarainana dia fahatsiarovana an’i Kristy nijaly noho ny fahotantsika fony Izy tao Getsemane. Jesoa koa efa nitomany teo am-pivavahana (vakio Heb 5.7)

Fanontaniana:

Fantatrao ve fa mitomany Jesoa mahita anao manota?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Talata 28 Jona 2022

Matio 24, 15-28

Mitandrema fa misy fahefana sandoka « Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ku haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao na dia ny olom-hoafidy aza dia hofitahiny » (and 24)

1- Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka

Manainga ny olona izay mpanara-dia azy Jesoa mba ho malina Isara manoloana ireo milaza azy ho mpaminany. Zao zavatra mitranga eto amintsika izao no efa nambaran’i Jesoa tamin izany. Maro ireo mampianatra, ary mahavita fahagagana maro samihafa. Fanasitranana sy famantarana, ary hita toa mahomby izany. Saingy ireny dia manala ny olona ao amin’ny finoana sy fankatoavana ny Teniny. Ka mitarika ny olona hiaina sy hiandry fahagagana isan andro

2- Aza manaiky ho voafitaka

Aoka isika hizaha toetra ny fanahy mandrakariva mba tsy ho roboka amin’ireo milaza ny mpaminany. Aoka hotsarovantsika ny voalaza hoe: « Izao no ahafantaranareo ny Fanahin Andriamanitra. Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesoa Kristy no avy amin’Andriamanitra » (1 Jao 4.2). Izy tonga nofo hamonjy sy hanafaka antsika tamin’ny loton’ny fahotana no tena zava-dehibe fa tsy izao fahagagana maro tanisaina izao.

Fanontaniana

Tsy efa eo an-tokonam-baravarantsika ve ireo mpaminany sandoka?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 27 Jona 2022

Salamo 68. 32-35

Mampanjaka ny fahefany ny Tompo

Izy no mendrika hoderaina satria nampandresy ny olony.

1- Mankalazà Azy (and.32)

Tsy dia mahazatra antsika ny fankalazana fa ny fangatahana no tena hiainantsika ankehitriny. Ny fankalazana Azy mantsy dia fiteny sy fihetsika entina mampahafantatra amin’ny olona manodidina rehetra ny asa sy voninahitr’Andriamanitra. Ny fanehoana Azy eo amin’ny fiainantsika isanandro no ahitan’ny olona ny asan’Andriamanitra tamintsika ka indro tanteraka amintsika ny Teny hoe: « Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra » (Zak 8.23)

2- Ekeo ny heriny (and.34)

Maro ny hery ianteheran’ny olona hanavotra azy fa isika kosa dia asaina hanaiky ny herin’Andriamanitra. Ny fanekenao ny heriny no mahatonga Azy handray andraikitra ny amin’ny famonjena anao. Ny heriny mantsy dia tsy hoe mandresy ny fahavalontsika fotsiny fa hitondrany antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Eny ny heriny no nentiny nandresy ny fahavalontsika ka nahazoantsika ny fiainana mandrakizay ao amin’i Jesoa .

Fanontaniana:

Efa miakatra ve ny fiderana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 26 Jona 2022

Efesiana 1. 15-23

Mampanjaka ny fahefany ny Tompo Paoly, mahatsiaro amin’ny fivavahany ho an’ireto Kristiana tao Efesosy ireto mba hanomezan’i Jesoa Kristy ny fanahin’ ny fahendrena azy ireo..

1- Andeha isika hifampivavaka (and. 15-17)

Amin’izao fetim-pirenena izao, izay fankalazana ny niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, dia manentana antsika hifampivavaka ihany koa izao Soratra Masina. Efa maro loatra ny zava-mafy nanjo ity tanintsika ity. Tao ny valan’aretina, ny hain-trano, ny hain-tany, ny rivo-doza nifanesy izay miteraka tsy fahampian-tsakafo sy nanakorontana ny asa fiveloman’ny maro. Koa andeha hifampivavaka hahazoan’ny Malagasytsirairay avy ny fanahin’ny fahendrena

2- Andeha hahiratra ny maso (and. 18)

Variana amin’ny Jiro maro loko isika rehefa fety ny andro. Fa anio dia asain’Andriamanitra ahiratra ny mason’ny saintsika mba hahafantarantsika ny fanantenana avy amin’ny fiantsoana. Ny olana mantsy dia mifoha avokoa izao karazam-panompoana natao fahizay tamin’ny andron’ny tsy fahalalana rehetra izao rehefa fetim-pirenena. Ny halehiben’ny herin’i Jesoa dia ho antsika izay mino. Koa aza avily ho amin’ny zavatra hafa ny masontsika.

Fanontaniana:

Efa nivavaka ho an’ny Malagasy ve ianao androany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 25 Jona 2022

Apokalipsy 5. 1-14 

Mampanjaka ny fahefany ny Tompo 

1- Liona : Eo amin’ny and.5 dia voalaza hoe: indro ny Liona avy amin’ny fanjakan’i Joda. Ny Liona dia entina maneho ny Mpanjakan’ny biby. Ka ilay Mpanjaka feno hery sy fahefana amin’ny toerana izay tapahiny. Oharina amin’ny Liona mpanjaka i Kristy sy ny fahefany amin’izany. Ary amin’ny voahary manontolo dia izy no noheverina sy ninoana fa matanjaka indrindra. 

2- Zanak’ondry : Ny Zanak’ondry no tena anarana namantarana an’i Jesoa raha manatanteraka ny asa famonjena Izy. Amin’izany dia Zanak’ondry tsy misy kilema no anambarana azy indraindray, Zanak’ondry na mora ilazana ny fahatanterahan’ny sorona nataony ho fanavotany antsika olombelona mpanota. Ka amin’izany dia mby ao an tsaina ilay fanati-panavotrana tsy manam-paharoa notanterahiny indray mandeha monja teo amin’ny hazo fijaliana .

Fanontaniana: 

Efa nisafidy izay hitokianao ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 23 Jona 2022

Eksodosy 9. 13-21

Mampanjaka ny fahefany ny Tompo

1- Miovà fo mba tsy hahita loza

Manomboka eo amin’ny and. 13 hatramin’ny and. 19 no milaza ny hafatr’Andriamanitra ho an’i Farao izay mangeja ny olony. Ao anatin izany hafatra izany no ahitana fa izay mafy fo sy miziriziry tsy mety hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra dia hahita loza. Tsy naringany ireo fa navelany hahita ireo loza nifandimby mba hahafantarany fa mahery Andriamanitra. Fa misy ny olona mitsangan-ko fahavalon’ny olon’Andriamanitra efa voan’izao loza maro samihafa izao nefa tsy mety mibebaka sy miova fo. Tsarovy ny tenin’i Jesoa (vakio Mat 5.8)

2 Araho ny Tenin’ny Tompo dia ho voavonjy ianao

Tsy niala tamin’ny Teniny ny Tompo fa nandefa ny loza ho an’ny tany noho ny hamafin’ny fon’i Farao. Kanefa tsy ny olona rehetra no niantefan’ny loza, satria nisy ireo izay nahatsiano fa marina ny Tenin’ny Tompo. Araka ny voalaza eo amin’ny and.20 dia nisy ireo mpanompon’i Farao izay natahotra ny Tenin Andriamanitra ka nanaraka izany. Avotra ireo noho ny fanarahany ny hafatr’i Mosesy. Miavaka ny fiainan’izay matahotra ny Teny ka mitandrina izany. « Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anarea; fa nahoana no ho faty ianareo taranak’Isiraely? » (Eze18:31)

Fanontaniana:

Tsy efa fotoana tokony hanarahantsika ny Teniny ve izao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Hafatry ny Filoha / Jona 2022

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Dia hahita masoandro

Ny ankizy rehetrarehetra

Fa hahatsiaro ho tena tiana

Ireny zaza maro ireny.

Ho voahaja koa ny zony

Fa tsy ho lasa teny foana,

Satria voataiza ireo rehetra

Miandraikitra azy ireny

Mba handala ny fisiany.

Dia hiaina am-piadanana

Ny ankizy Malagasy!

Ary tsy ny maha olona

Azy ireny fotsiny ihany

No ho voahevitra, voajery,

Fa indrindraindrindra koa

Ny maha olona azy feno:

Zaza manana fanahy

Ary tena manan-jo

Ny ho zanak’Andriamanitra,

Ka hifaly mahatsiaro

F’efa zandrin’i Jesoa.

Dia tsy hoe ny zony ihany

No hisitrahan’izy ireny,

Fa ny adidiny ihany koa

No ho fantany sy hefainy:

Ho zaza hendry, mpankato!

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Alarobia 22 Jona 2022

Matio 9. 1-8
Mampanjaka ny fahefany ny Tompo
« Matokia anaka; voavela ny helokao »

Voalazan’ny Soratra Masina hoe: « Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo. ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy » (Isa 59.2)

Tafasaraka amin’Andriamanitra ny mpanota, ka tsy misitraka ny fitahiany ary lavitra ny famonjeny. Amin’izao ankatoky ny Fetim-pirenena izao dia io no Teny feno fitiavana atolotr’Andriamanitra ho antsika. Na dia misy aza ny efitra mampisaraka antsika amin’Andriamanitra dia Izy Andriamanitra mihitsy no manambara amintsika ankehitriny fa tokony hatoky azy isika satria mamela ny helotsika Izy. Izy mihitsy no tonga mamitram-pihavanana amintsika araka ny voalazany hoe: »Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy » (Rom 5.8) satria tsy tiany ho faty amin’ny faharatsiantsika isika. « Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, hoy Jehovah Tompo. fa tsy ny hialany amin’ny alehany mba ho velona izy? » (Eze 18.23)

Fanontaniana :

Amin’izao ankatoky my fetin’ny fiverenan’ny fahaleovantena izao dia maniry ny fahafahana amin’ny ota ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM