Sabotsy 25 Jona 2022
Apokalipsy 5. 1-14
Mampanjaka ny fahefany ny Tompo

1- Liona : Eo amin’ny and.5 dia voalaza hoe: indro ny Liona avy amin’ny fanjakan’i Joda. Ny Liona dia entina maneho ny Mpanjakan’ny biby. Ka ilay Mpanjaka feno hery sy fahefana amin’ny toerana izay tapahiny. Oharina amin’ny Liona mpanjaka i Kristy sy ny fahefany amin’izany. Ary amin’ny voahary manontolo dia izy no noheverina sy ninoana fa matanjaka indrindra.

2- Zanak’ondry : Ny Zanak’ondry no tena anarana namantarana an’i Jesoa raha manatanteraka ny asa famonjena Izy. Amin’izany dia Zanak’ondry tsy misy kilema no anambarana azy indraindray, Zanak’ondry na mora ilazana ny fahatanterahan’ny sorona nataony ho fanavotany antsika olombelona mpanota. Ka amin’izany dia mby ao an tsaina ilay fanati-panavotrana tsy manam-paharoa notanterahiny indray mandeha monja teo amin’ny hazo fijaliana .
Fanontaniana:
Efa nisafidy izay hitokianao ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM