Zoma 13 Mey 2022

Asan’ny Apostoly 19: 1-7

Fomba ahoana no andraisana ny Fanahy Masina?

Efa noraisinareo ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? (and.2). Izany fanontaniana izany no napetrak’i Paoly tamin’ireo mpianatra tao Efesosy. Ny fandraisana ny Fanahy Masina dia:

1- Amin’ny alalan’ny fahalalana an’i JESOA.

Gaga i Paoly rehefa nahafantatra fa tsy mbola nandray ny Fanahy Masina ireto mpianatra ireto, na dia efa nandray fampianarana tamin’i Apolosy aza. Ekena fa zava-dehibe ny fampianarana noraisin’izy ireo, dia ny amin’ny batisan’i Jaona izany, saingy tsy ampy izany raha tsy miafara amin’ny fahalalana an’i Jesoa ho hany Mpamonjy tokana. Noho izany dia nampianatra azy ireo bebe kokoa ny amin’i Jesoa Kristy i Paoly (and.4). « Fa hoy i Paoly: Jaona nano ny batisan’ny fibebahana ka nilaza tamin’ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesoa. » Ny fahalalana an’i Jesoa Kristy no mitondra ho amin’ny fibebahana, ary izany no fepetra voalohany handraisana ny Fanahy Masina.

2- Amin’ny alalan’ny batisa ho amin’ny anaran’i JESOA.

Nanaiky hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa ireo mpianatra roa ambiny folo lahy tao Efesosy. Rehefa nametrahan’i Paoly tanana izy ireo dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina. Ary izany no fiandohan’ny Fiangonana tao Efesosy. Ny antony anomezan’Andriamanitra ny Fanahy Masina ho an’ny Fiangonana dia ny hanampy sy hampahery azy amin’ny toe-javatra sarotra. Ny olona nomena fahalalana an’i Jesoa no afaka hino Azy. Ary ny finoana Azy no mitarika ny olona hibebaka sy hanaiky hatao batisa amin’ny Anarany. Izay rehetra manaiky an-tsitrapo hatao batisa amin’ny Anarany kosa no handray ny Fanahy Masina ka hanan-kery hijoro ho vavolombelony amin’ny fotoana rehetra.

Fanontaniana:

Efa noraisinao ve ny Fanahy Masina, fony vao nino ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV