FMBM Toliara

Misokatra indray ny toby fampielezana Baiboly


Tontosa ny Asabotsy 30 Aprily 2022 tao Toliara ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy

an-dRamatoa Tahinjanahary Tafitasoa Berjulie,

izay ho tomponandraikitry ny tobim-pamatsian’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy (FMBM) ao Toliara. Mifamatotra amin’izany fotoana izany ihany koa ny fanokafana indray ny Tobim-pamatsiana FMBM ao Toliara, rehefa nikatona nanomboka ny taona 2015. Nanotrona io fotoan-dehibe fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra io ireo solontena avy amin’nyFiangonana samihafa sy ireo solontenam-panjakana tao Toliara.

VAHINY NASAINA


Manazava ny tale nasionalin’ny FMBM Atoa Rabenjarisolo Fabrice, Mpitandrina: “Tanjon’izao dingana
irosoanay izao ny hamaliana ny hetahetan’ireo Fiangonana sy kristianina any amin’ny faritra atsimo ka hanamorana ny fisitrahana ny vokatry ny FMBM. Araka izany dia afaka hisitraka ireo Baiboly sy tolotra amin’ny sarany mitovy amin’ny aty amin’ny Foibe izy ireo noho ny fisokafan’ny tobim-pamatsiana aty Toliara. Isan’izany ny tolotra fampianarana mamaky teny sy manoratra ary mikajy, ny fitoriana filazantsara amin’ny alalan’ny horonam-peo ary ireo Baiboly ho an’ny ankizy sy tanora.”


FMBM miarina sy mahaleo tena, ka mampitao ny Fiangonana amin’ny alalan’ny famokarana sy fampielezana ny Tenin’Andriamanitra, mba hitondra fiovana eo anivon’ny fiaraha-monina no vina ny 2018 hatramin’izao 2022 izao. Dingana iray ao anatin’izany fiarenana izany ny fanokafana indray ireo tobim-pamatsiana ivelan’Antananarivo. Ankehitriny dia ahitana ny FMBM any Sambava, Antsirabe,Fianarantsoa, ary Toliara.


Ny FMBM dia sehatra fiaraha-miasan’ny Fiangonana sy ny Fikambanana ary ny kristianina eto Madagasikara mba hampiroboroboana ny fampielezana ny Soratra Masina. Niorina ny 21 jona 1965 izy ary nekena ho mpikambana mahefa tao amin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Eran-Tany (FMBET) tamin’ny taona 1972. Madagasikara heniky ny fahalalana an’i Kristy amin’ny alalan’ny Soratra Masina no vinan’ny FMBM.

Mizara ho efatra lehibe kosa ny antom-pisiany eto amin’ny firenena :

(1) Mandika ny Soratra Masina amin’ny fiteny azon’ny olona,

(2) Mamokatra ny Soratra Masina amin’ny endriny ilàn’ny olona azy,

(3) Mampiely ny Soratra Masina amin’ny vidiny takatry ny olona,

(4) Mampiofana sy manentana ny fandinihana sy ny fampiasana ny Soratra Masina.


Fifandraisana : Elsa RASON, + 261 34 91 522 60, relsa@biblesociety-malagasy.org

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV