Alahadin’ny SAF 2022

ALAHADY HITONDRANA AM-BAVAKA NY SAF/FJKM

20 Martsa 2022


“Tazàno ny lalana..hetseho mafy ny herinao”. Nahoma2:2

Tsiahy
Ny SAF/FJKM na Sampan’Asa momba ny Fampandrosoana dia  iraky ny Fiangonana
hanehoany ny finoany eo amin’ny sehatry ny fampivelarana ny fiarahamonina sy ny
toekarena ary miasa ho amin’ny ezaka rehetra ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny
Olona manontolo. 
Ireo asa sahaniny
Misehatra amin’ny Fandaharanasa 5 ny SAF/FJKM:
o Fanjariantsakafo
o Rano- Fidiovana-Fanadiovana
o Fahasalamana
o Fitantanana ny loza sy tandindondoza voajanahary
o Tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetrandro
Ny Alahady 20 Martsa 2022 no natokana hitondrana am-bavaka ny SAF/FJKM amin’ity
taona ity. Koa ho fiombonantsika mpino Kristiana ato anatin’ny FJKM, dia indro atolotra eto
ny fandaharana iraisana amin’io fotoana io.

FANDAHARANA

FANATREHANA AN’ANDRIAMANITRA
Fiarahabana apostolika
o Salamo 67: 3 – 7
Hira 172
Vavaka fiderana sy fisaorana
TENIN’ANDRIAMANITRA
Hira 768 : 1,2,4
Fotoana ho an’ny tanora sy ny ankizy
Vavaka fangatahana ny fanazavan’ny Fanahy Masina
Soratra Masina
o I Samoela 2 : 27 – 36
o Lioka 20 : 45 – 47
o Joda : 5 – 13
Hira 244 : 1,2,4,
TORITENY
Feon-javamaneno fohy
Vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra sy fifonana 
Hira 415 : 1,3
Teny famelan-keloka
o Isaia 52 : 3 , Isaia 44 : 21 – 23
o Salamo 32 :1-2
Hira 537
Fanekem-pinoana
Asa vavolombelona
Raharaham-piangonana

Rakitra : Hira Antoko Mpihira
Fanolorana ny rakitra : Hira 443 : 2,3
Hira FF17
Vavaka fangatahana
Tsodrano
Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen.

HAFATRA

“…Ka tsy mitady ny mahasoa ahy ihany
fa ny mahasoa ny maro mba hovonjena izy”
1 Kor 10:33

Misaotra an’Andriamanitra ry Havana, fa ny fahasoavany no ahafahan’ny Fiangonana
mijoro vavolombelona amin’ny alàlan’ny asa tanterahan’ny Sampanasany eny anivon’ny
fiarahamonina indrindra amin’izao vanimpotoana sarotra atrehan’ny firenena izao.
Toy izao ny hafatra ho an’ny Fiangonana amin’izao Alahady itondrana am-bavaka ny asa
fampandrosoana tanterahan’ny Fiangonana izao:


1- Mbola eo ny valanaretina Covid19. Mamporisika antsika hatrany hiroso amin’ny
fanaovana vaksiny ary hanaraka hatrany ny fepetra fiarovana ara-pahasalamana.


2- Manoloana ny fikorontanan’ny toetr’andro, noho ny fahasimban’ny tontolo iainana, dia
manamafy ny antso hatrany samy handray ny andraikitra tandrify azy isika Kristiana,
mba tsy handripaka ala, hiady amin’ny doro tanety, ho marina ka tsy hanao
fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary ary hilofo mafy amin’ny fambolen-
kazo isan-karazany.


3- Manamafy fa filàna fototra eo amin’ny fianakaviana ny rano sy sakafo ary fahasalamana
ka hifanome tànana amin’ny asa famonjena ireo havantsika tratry ny Kere any Atsimo
sy ireo marefo voadona mafin’ny rivodoza sy ranobe.


4- Manao antso avo ho an’ireo Synodamparitany, Fitandremana mbola tsy misy Volontera
FJKM mba hifandray amin’ny SAF/FJKM hanangànana izany. Firotsahana sy fitaizana
amin’ny adidy amin’ny mpiara-belona sy ny firenena izany.


5- Hanohy ny ezaky ny Fiangonana amin’ny fandalàna ny fahadiovana sy ny fidiovana ary
ny fanadiovana. Afaka mifandray amin’ny SAF/FJKM ho an’ny toro-làlana amin’izany.
Farany dia misaotra antsika Fiangonana amin’ny fanohanana ny asa fampandrosoana
tanterahana amin’ireo sehatra samihafa ary mampahery antsika rehetra amin’ny
Hazakazaka Masina iombonantsika.


“Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika”. Amena.


Ny Filankevipitondrana SAF/FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV