SP 11/SA Soanierana


Nahavita ny Jobily faha 150 taona

Misaotra ny TOMPO fa vita soa amantsara Fankalazana an’Andriamanitra noho ny famaranana ny
Jobily faha 150 taona niorenan’ny SEKOLY ALAHADY ny Alahady 12 Desambra 2021 lasa teo.
Ny teny faneva dia

« FANILON’NY TONGOTRO SY FANAZAVANA NY LALAKO NY TENINAO »
Sal 119:105.

Ny tsangambato dia tabilio miisa 30 izay natolotra ho ao amin’ny akany vaovao.Teo ihany koa ny famenoana ny boky volamena . Indroa miditra ny fiangonana ka ny nitondra ny tenin’Andriamanitra dia Ramatoa RATSIMANDISA Zo,
Mpitandrina- Rektora ny Oniversity FJKM RAVELOJAONA sy Andriamatoa RAZAKAMAHANDRY
Andriamampionona Théophile,
Mpitandrina eo an-toerana.
Ny isan’ny mpianatra dia 350. Ny mpiandraikitra dia miisa 40, 2 taona ny mpianatra zandriny indrindra ary 90 taona mpiandraikitra (maintimolaly) zokiny indrindra. Nisy ny fizarana Takela-pahatsiarovana ho an’ny mpiandraikitra rehetra : maintimolaly sy amperinasa. Mpandray anjara mavitrika hatrany ny SA Soanierana amin’ireo fihaonambe tany Toliara , Antsirabe, Toamasina ary koa eo amin’ny faritra Ambohipotsy izay nahazoana amboara 3 samihafa ny volana
Août lasa teo. 150 taona izay no lasa ary manomboka izao hiatrika ny 150 taona ho avy indray eo ambany
fitarihan’ny Fanahy Masina hatrany.


Misaotra sy mankasitraka ireo rehetra izay nanohana ny Sampana SEKOLY ALAHADY : ny FOIBE FJKM,
ny SA FOIBE , ny SP SPA 11, ny SA mpiray lohavolana Ankadimbahoaka , ny
Mpitandrina sy ny Sampana rehetra, ny Ray aman-dreny ary ny fiangonana manontolo.

Ho an’ANDRIAMANITRA irery ny voninahitra!

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

Alahadin’ny SFL 2024 :

Production : FTV / FJKM