Alakamisy 09 Septambra 2021

GALATIANA 3.26-29

Na iza na iza no natao batisa ho an’i Krtisty dia :

1-Mitafy an’i Kristy

Hatrany am-piandohana , rehefa nandika ny didin’Andriamanitra Adama sy Eva dia nahatsiaro nitanjaka ka nanjaitra ravin’aviavy nataony sikina izy ireo (Gen 3.7). « Ary i Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy » (Gen 3.7). Io akanjo hoditra izay nalaina avy amin’ny hoditry ny ondry io dia taratr’i Jesoa Kristy , Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao (Jao 1/29). Ny fanaovana batisa àry dia ahafahana mitafy an’i Kristy . Ampirisihana amin’izany ny mpianakavin’ny finoana araka ny voasoratra hoe : « Fa itafio Jesoa Kristy Tompo , ary aza miahy ny nofo hahatanteraka ny filàny  » Rom 13.14

2-Mpandova araka ny teny fikasana

Nifamatotra tamin’ny baiko momba ny famorana ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama (Gen 17.10) .Aty amin’ny fanekena vaovao dia ny batisa izay famorana tsy natao-tànana (Kol 2.11). Io indray no taratry ny fanekena vaovao eo amin’Andriamanitra sy ny olony. Amin’izany , izay atao batisa ho an’i Kristy dia misitraka ihany koa ny teny fikasana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama , mpandova araka ny teny fikasana toy ny fitahiana , taranaka ary famirapiratana . Ny olom-baovao tahaka an’i Zakaiosy izay miroso amin’ny safidy tsara dia ambaran’i Jesoa hoe : « Izy dia zanak’Abrahama koa » (Lio 19.9). Ny fandovana ny fiainana mandrakizay dia isan’ny valisoa ho an’ny mpino araka ny teny fikasana .

Fanontaniana :

Inona no maha-zava-dehibe ny batisa ho an’i Kristy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV