Ny Alarobia 16 ka hatramin’ny 23 jona 2021 izao ao amin’ny CFD Ampandrana Antananarivo no hanatanterahina ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM, izay tokony natao ny volana Aprily lasa teo sy amin’ity volana jona ity. Hanomboka amin’ny 8 ora sy 30 mn maraina ny fanokafana amin’ny fombam-piangonana.
Izay raharaha maika indrindra aloha no hotapahina amin’izany toy ny tetibola enti-miasa sy fankatoavana ireo Tonia sy Tale ary fandraisan-tànana mpitandrina ary indrindra koa mahakasika ny Synoda Lehibe izay hotanterahina any Sambava ny volana Aogositra 2021 ho avy izao.
Nanentana ny Kristiana rehetra ny Filohan’ny Birao Mpiandraikitra Foibe FJKM, Dr. IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, mba samy hitrotro am-bavaka izany sy hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra isika rehetra.
Noteren’ny Jiosy hoforana ny Jentilisa rehefa nanaiky ho tonga Kristianina izy ireo. Ny anton’izany dia hahatonga azy ireo hitovy saranga amin’ny Jiosy voafora. Nihatsaravelatsihy Petera, Ka rehefa niaraka tamin’ny Jentilisa izy dia niara-nihinana taminy, rehefa nisy Jiosy naha-menamaso azy dia nihataka izy. Nanarin’i Paoly noho ny amin’izany izy. Ny tena Kristianina dia:
1- Mananatra izay tsy mijoro tsara (and 14)
Tsy mendrika ny maha-Kristianina araka ny fampianaran’i Paoly ny fihatsarambelatsihy. Sady te- ho tsara amin’ny Jentilisa sy ny Jiosy ity no nahatonga an’i Petera nihatsaravelatsihy. Toerana tsy tokony hisy eo amin’ny Kristianina izany. Izany rahateo no nananaran’i Paoly azy. Adidin’ny mino ny mifananatra, indrindra amin’izay hita fa tsy mijoro tsara amin’ny maha-Kristianina. Ny tena Kristianina dia tsy menamaso olona rehefa mananatra azy amin’ny mety ataony.
2- Manana an’i Kristy ao aminy (and 20)
Ny hoe : Kristy velona ao amin’ny mino dia Kristy ao amin’ny mino aloha. Satria ao amin’ny mino Kristy dia mamelona ny mino. Kristy mantsy rehefa ao amin’ny mino dia mamono izay rehetra tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra , ka manome fahavelomana vaovao. Rehefa manana an’i Kristy koa ny mino dia tonga manana antom-pisiana vaovao tonga mahalala ny fandaharan ‘Andriamanitra ho famonjena izao tontolo izao .Ny tena kristiana dia velomin’i Kristy indray ka manana antom-pisiana mifanaraka amin’izay nikasan’i Kristy azy .
Fanontaniana :
Ahoana no ahafantaranao fa ao amin’i Kristy isika ?
Toromarika sy torolàlana nomen’i Mosesy ny zanak’Israely ity mofonaina ity . Toromarika ho enti-mandresy ny fahavalo amin’ny ady . Raha te-handresy amin’ny ady dia mila :
1-Mahatsiaro fa an’Andriamanitra ny ady (and 1)
Na maro toy ny ahoana aza ny fahavalo , na matanjaka toy ny ahoana , rehefa Andriamanitra no miady ho antsika dia tsy hisy maharesy antsika . Nampahatsiahivin’i Mosesy ny zanak’Israely izany . Mbola marina mandraka androany izany . Aza miady irery , aoka hiara-dàlana amintsika amin’ny adintsika Andriamanitra dia handresy isika araka ny and 4 « fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ny fahavalonareo mba hamonjy anareo« .
2-Mifampahery (and 2-4)
Ny adidin’ny mpisorona eto dia mampahery ny vahoaka amin’ny ady atrehany . Ilaina dia ilaina tokoa mantsy ny fampaherezana eo anatrehan’izay ady atrehana . Aza mba manadino ny mpampahery ny namana miatrika ady . Adidy maha- kristiana izany . Hafatr’i Jesoa tamin’i Petera izany : « ampaherezo ireo rahalahinao » (Lio 22.32).
3-Mankato ( and 5-9)
Ny fanarahana ny tenin’ny mpifehy eto no nampahomby tamin’ny ady . Tsy misaraka amin’ny fankatoavana ny fandresena amin’ny ady rehetra . Ny fanarahana tsara ny Tenin’ny Tompo no fomba mahomby indrindra ho enti-mandresy ny karazam-pahavalo rehetra . Efa nomen’i Jesoa ny toro-làlana ho enti- mandresy eto amin’izao tontolo izao .
Fanontaniana :
Inona avy ireo toro-mariky ny Tompo ho enti-mandresy amin’ny ady eto amin’izao tontolo izao ?
Mampianatra I Jesoa fa rehefa mivavaka dia tsy maintsy arahina finoana izany. Raha miahanahana isika rehefa mivavaka dia tsy hahazo valim-bavaka. Rehefa mangataka kosa anefa isika sady mino dia tonga izay angatahina. Izay mivavaka sady mino dia:
1- Mahatanteraka izay lazainy (and20)
Rehefa niteny I Jesoa dia tonga nalazo ilay aviavy. Andriamanitra tokoa Jesoa ka manana hery sy fahefana hahatanteraka izay nolazainy. Tena natoky an’Andriamanitra rahateo izy, tsy mba hita ho nisalasala. Lojika raha toa ka tanteraka avokoa ny zavatra rehetra noteneniny. Tsy vao teto akory no nahitana izany, fa izay rehetra notenenin’i Jesoa ao amin’ny Filazantsara dia notanterahin’Andriamanitra rahateo , ary ara-dalàna raha tanteraka izay noteneniny.
2- Mahazo valim-bavaka (and 24)
Rehefa mangataka isika dia tsy mahazo misalasala. Ny fisalasalana mantsy dia mariky ny tsy fahatokiana an’Andriamanitra. Ary raha tsy matoky an’Andriamanitra, tsy hahazo valim-bavaka. Rehefa mivavaka dia zavatra takiana ny finoana, mahazo manantena valim-bavaka avy amin’ny Tompo isika rehefa matanjaka ny finoana. Ny finoana mantsy dia fahatokiana fa tena hamaly vavaka tokoa Andriamanitra. Aza hadinoina fa marina mandrakariva ny Tenin’i Jesoa hoe : » Lazaiko aminareo marina tokoa : Raha manam-pinoana hianareo ka tsy miahanahana… ary na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo » Mat 22.20,21
Fanontaniana:
Inona no tsara : Mivavaka aloha vao mino, sa mino aloha vao mivavaka, sa mino sady mivavaka ?
Fampihavanana an’i Filemona sy Onesimosy no votoatin’ny hafatra ao amin’ny Epistily ho an’ i Filemona. Hita amin’ny asa sorany ho an’i Filemona ny maha- mpanompon’Andriamanitra an’i Paoly, eny ny maha- zanak’Andriamanitra azy . Ny zanak’Andriamanitra dia:
1- Mitory filazantsara ho enti-manova ny hafa
Noho ny Filazantsara izay notorian’i Paoly tamin’ny Onesimosy dia tonga niova fo izy. Tsy nahasoa an’i Filemona izy tany aloha, fa noho ny Filazantsara izay notoriana taminy dia tonga rahalahy malala izy. Tonga mahasoa izy araka ny anarany. Anisan’izay nafana fo tamin’ny fanompoana an’i Paoly izay, tena nikarakara an’i Paoly. Hita avy amin’izao fa tena manova olona tokoa ny Filazantsara rehefa tena toriana sy ambara.
2- Manolo-tena handoa ny trosan’ny hafa
Mba hahatanteraka araka ny tokony ho izy ny fampihavanana azy mirahalahy dia noraisin’i Paoly ho trosany ny an’i Onesimosy. Nanahaka an’i Jesoa Paoly teto. Nandray ny trosan’ny olona rehetra , ka nandoa izany tamin’ny alalan’ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana. Mampianatra antsika Paoly fa azo atao ny manome izay azo omena ho enti-mahatanteraka, araka izay tokony ho izy ny fihavanana. Tsy voatery miandry izay tsy ho tonga isika, fa izay misy eo am-pelatànana dia azo atolotra hahatanteraka ny fampihavanana marina. Misy ezaka manokana takiana amin’izay vonona hampihavana ny hafa. Misy ezaka manokana takiana amin’izay vonona hampihavana ny olona rehetra ihany koa amin’Andriamanitra. Ianarana amin’i Jesoa kristy izany, Izy mantsy no nanome be indrindra. Izy no nanome ny sarobidy indrindra. Soa fianatra tamin’i Jesoa io.
Fanontaniana :
Inona avy no azon’ny olona hatolotra hahatanteraka ny fampihavanana marina?
Nosoratan-dRANJATOHERY Harilala A., Tonian’ny Fiangonana
TOKO 1 : NY FAHATONGAVAN’NY FILAZANTSARA
1° Ny nahatongavan’ireo Misionera LMS
Ny 18 aogositra 1818 no tonga teto Madagasikara i David Jones sy Thomas Bevan, Misionera nirahin’ny LMS hitory ny filazantsara amin’ny Malagasy. Avy any Pays des Galles izy mirahalahy ireto. Tao Toamasina no nitoeran’izy ireo. Niverina nankany amin’ny Nosy Maorisy naka ny vady aman-janany izy mirahalahy ny 24 septambra. Ny 20 novambra no tafaverina teto Madagasikara i David Jones niaraka tamin’ny vady aman-janany. Nidaosin’ny fahafatesana anefa ny vady aman-janak’i David Jones. Ny 6 janoary 1819 kosa no tonga teto amin’ny Nosy indray i Thomas Bevan nombam-bady aman-janaka ihany koa. Narary ary maty ihany koa i Thomas Bevan mianakavy, fotoana fohy monja taorian’ny nahatongavan’izy ireo. Nolazoin’ny tazo koa aza i David Jones ka lasa niverina tatsy Maorisy nitsabo tena ny 3 jolay 1819. Naharitra herintaona mahery kely no nipetrahany tany. Ny 9 septambra 1820 no niverina teto Madagasikara David Jones. Nantsoin’ny Mpanjaka Radama I (1810-1828) niakatra an’Antananarivo izy ary nanankinany raharaha lehibe tamin’ny fanokafana sekoly hampianarana ny vahoakany.
Maro ireo Misionera LMS tonga teto Madagasikara taorian’i David Jones. Anisan’izany ry Griffiths, ry Jeffreys…Samy nikatroka tamin’ny fampianarana izy ireo, ankoatra ny fitoriana ny filazantsara. Nataon’ny Misionera ho zava-dehibe rahateo ny nifampizara raharaha mba hampirindra ny asa.
2° Ny fanenjehana ny fivavahana kristiana
Niamboho Radama rainy ny taona 1828. Nandimby azy i Mavo na Ranavalona I (1828-1861). Nanenjika mafy ny fivavahana kristiana ity Mpanjaka ity. Ny kabary lehibe natao teo Mahamasina tamin’ny 1 marsa 1835 no nanambaran’ny Mpanjakavavy ho ren-tany, ren-danitra, ny fandrarany ny fivavahana kristiana ary niantsoany ny kristiana mba hiverina indray amin’ny fivavahan-drazana. Maro tamin’ireo kristiana no maty maritiora : nolefonina, notoraham-bato, navarina tamin’ny hantsana, nampinomina …Tao koa ireo natao gadra lava na namidy ho andevo, na nalefa sesitany.
Maro tamin’ny kristiana ihany koa anefa no niery tsy ho hitan’ny mpitsikilon’ny Mpanjaka. Nanohy ny fivavahana tany am-pierena tany izy ireny. Famakiana Soratra Masina, hiram-pivavahana , vavaka. Ireo no nifandimbindimby nandritra ny fotoam-pihaonan’ireo kristiana. Naharitra 33 taona ny nanjakan-dRanavalona I. Nandritra izany taona maro izany koa anefa no azo heverina fa nanamasaka ny fiorenan’ny Fiangonana aty aoriana, rehefa hitsahatra miaraka amin’ny fahalasanan’ny Mpanjakavavy ny fanenjehana ny fivavahana kristiana.
3° Ny fielezan’ny fivavahana kristiana
Nanjaka nandimby an-dreniny Radama II (1861-1863), zanany. Namela malalaka ny fivavahana kristiana ny Mpanjaka. Nivoaka tany am-pierena ny kristiana maro. Tsy nanohintohina ny kristiana ihany koa ny Mpanjakavavy Rasoherina (1863-1868) izay nandimby am-badiny teo amin’ny fiandrianana ka tsy nanana ahiahy ny kristiana. Nampandroso fatratra ny fitoriana filazantsara kosa Ranavalona II (1868-1883), nandray ny Fanjakana taorian’ny niambohon-dRasoherina. Nataony ho fivavaham-panjakana rahateo ny fivavahana kristiana rehefa niakatra teo amin’ny seza fiandrianana izy. Niroborobo tsy nisy toy izany ny asan’ny Fiangonana.
4° Ny fidiran’ny fivavahana kristiana tao Mandrosoa Ilafy
Ingahy Rainingorisahala, andriandahy avy any Lazaina, no nampiditra ny fivavahana kristiana tao Mandrosoa. Tokony ho tany tamin’ny taona 1831 izany. Efa-taona talohan’ny namakiana an-kabary ny fandrarana ny fivavahana kristiana izany. Tsy naharitra teo Mandrosoa Ingahy Rainingorisahala rehefa nanomboka ny fanenjehana. Nandositra tany Vonizongo izy. Tany izy no maty. Any ihany koa no ilevenany. Mbola mivavaka ao amin’ny Fiangonan’i Mandrosoa Ilafy mandraka ankehitriny kosa ny ampahany amin’ny taranany.
TOKO II : NY FIORENAN’NY FIANGONANA
1° Araka ny fahefam-piangonana
« Vondron’ny mpino navotana tamin’ny alalan’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy ka hanana fomba fiainana vaovao miaraka amin’Andriamanitra » no atao hoe Fiangonana. Famaritana mifameno amin’izany ny voalazan’ny Lalàna sy ny fitsipiky ny Isan-kerintaonan’ny LMS izay manambara ny Fiangonana ho « Fikambanana masina naorina ho an’ny olona rehetra, izay manaiky an’i Jesoa Kristy ho Tompony ary mikambana mba hampandroso ny Fanjakany ety ambonin’ny tany sy handray ny fitahiam-panahy vokatr’izany. » Hamafisin’ity Lalàna sy fitsipika ity, ankoatra izany, fa «ny Fiangonana kristiana tsirairay avy dia fikambanan’ny olona izay efa nanolo-tena ho an’i Kristy ka ekena ho mpandray sy mpiangona ao amin’ny fitoerana iray, hiara-mivavaka amin’Andriamanitra. » Tsy ny trano fivavahana araka izany no tondroina eto amin’ny hoe Fiangonana.
Nanomboka tamin’ny fotoana nahatongavan’Ingahy Rainingorisahala teo Mandrosoa no nisian’ny Fiangonana, izany hoe ny fiaraha-mivavaka nataon’ireo mpino kristiana tamin’izany fotoana izany. Azo inoana fa mbola vitsy ihany izy ireo. Marihina fa nanana ny sampy izay notoaviny rahateo ny mponina teo Mandrosoa : ny sampy Rabehaja teny Manazary.
Voalaza etsy ambony fa tsy naharitra teo Mandrosoa Ingahy Rainingorisahala. Nangingina ny fivavahana kristiana rehefa lasa izy.
Niverina indray ny firehetam-pon’ny kristiana rehefa nalalaka ny fivavahana kristiana taorian’ny niambohon-dRanavalona reniny. Nanao fandaminana ny fahefam-piangonana tamin’izany fotoana izany, ny Isan’Enimbolana , nivory tao Antsampanimahazo , tamin’ny 16 desambra 1868: nataony ho anisan’ny zanak’i Faravohitra i Mandrosoa. Efa Fiangonana nijoro amin’ny maha fikambanan’ny mpino azy araka izany no nisy teo Mandrosoa tamin’izany fotoana izany. Tsy isalasalana ny milaza fa anisan’ireo Fiangonana kristiana 131 niorina voalohany teto Imerina teo anelanelan’ny taona 1861 ka hatramin’ny 1868 ny teo Mandrosoa. Nisy Mpandray Fanasan’ny Tompo 7 066 sy mpiangona 37 112 tamin’ireo Fiangonana ireo. Anisan’ireo ny kristiana teo Mandrosoa. Zanaky ny LMS ny Fiangonan’i Mandrosoa Ilafy.
2° Araka ny fahefam-panjakana
Ny taratasy laharana faha 205, tamin’ny 10 janoary 1914, nosoratan’ny Governora Jeneraly Albert Picqué, no nanome fahazoan-dalana hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin’ny trano fiangonan’i Mandrosoa, niorina tamin’ny taona 1869, araka ny firaketana voalazan’ny didim-panjakana tamin’ny 11 marsa 1913. Ny taratasin’ny Administratera Lehiben’ny Distrikan’Antananarivo tamin’ny 14 mey 1914 no nilaza izany fanapahan-kevitry ny Governora izany. Io taona 1869 no noraisin’ny Fiangonan’i Mandrosoa Ilafy ho taona niorenany.
TOKO III : NY FIVOARAN’NY TRANO FIANGONANA MANDROSOA ILAFY
1° Ny teo Ambodiaviavy
Tao an-tanàna, anatin’ny hadivory, teo ambodiaviavy no nanorenana ny trano fiangonana voalohany. Trano tsizarizary, vita tamin’ny zozoro na rantsan-kazo madinika, tafo herana no najoro. Ingahy Rainingorisahala no nitarika ny fanaovana ny trano. Tao amin’izany trano teo Ambodiaviavy izany no niarahan’ireo kristiana teo an-tanàna nivavaka. Tsy fantatra na firy na firy ny isan’izy ireo.
Roa taona taorian’ny kabary lehibe teny Mahamasina ny 1 marsa 1835 izay nandraran’ny Mpanjaka Ranavalona i ny fivavahana kristiana no nandefonana an-dRasalama teny Ambohipotsy (14 aogositra 1837). Izy no maritiora malagasy voalohany. Nangotraka ny fanenjehana ny kristiana nanomboka teo. Nangina ny fivavahana teo Mandrosoa rehefa nandositra tany Vonizongo Ingahy Rainingorisahala.
Antony roa no nahalefy vetivety ny fivavahana kristiana teo Mandrosoa tamin’izany fotoana izany. Voalohany : tsy lavitra an’io toerana nisian’ny trano fiangonana voalohany io, ny tanànan-dRainiharo, Praiministry Ranavalona I. Teo andrefan-tanàna, amin’ny ivelan’ny hadivory, eo amin’ny misy ny Foiben’ny Madagascar National Park sy ny manodidina azy rehetra, no toerana tondroina amin’izany. Nisy trano naorin-dRainiharo teo izay efa noravan’ny tompon’ny tranobe miorina eo ankehitriny. Mbola eo kosa ny fasana nataon-dRainiharo, talohan’ny nanaovany ny teny Isoraka. Nivezivezy matetika teo amin’izany tanànany izany Rainiharo. Faharoa : ny lalana amin’ny atsinanan-kady izay mbola ampiasaina mandraka androany no fandalovan’ireo irak’Andriana mankany Toamasina, fony tsy mbola vaky lalana ny teny atsimon’Ankadindramamy. Fantatr’ireo kristiana teo Mandrosoa noho izany fa tsy hampananosarotra ny ireo mpitsikilon’Andriana mihitsy ny hanatratra azy ireo. Niparitaka nanerana ny manodidina an’Antananarivo rahateo ihany koa ny miaramilan-dRanavalona nisambotra ny mpivavaka.
2° Ny trano fiangonana teo afovoan-tanàna
Nifindra teo anoloan’ny tranon’Itompokovavy Rasoamananivo, eo atsimon’ny biraom-pokontany ao afovoan-tanàna, ny trano fiangonana faharoa, tokony ho tamin’ny taona 1862. Trano zozoro izy io. Tamin’ny fotoan’andro nanjakan-dRadama II (1861-1863) izany. Efa nalalaka ny fivavahana.
Eo amin’io toerana malalaka manoloana ity trano ity no voalaza fa niorenan’io trano fiangonana faharoa io
3° Ny trano fiangonana fahatelo
Fotoana fohy ihany no nisian’ny Fiangonana tao afovoan-tanàna. Tsy lavitra ny kianja filalaovan’ny kilonga sy fanaovana tolon’omby mbamin’ny hira gasy ny trano fiangonana nivavahan’ny kristiana teo. Nahatsiaro ho voaelingelina sy voatabataba loatra izy ireo rehefa amin’ny andro alahady. Noho izany no nanapahan’izy ireo hevitra namindra ny trano fiangonana ho any ivelan’ny hadivory, eo amin’ny toerana misy azy ankehitriny.
Tamin’ny taona 1869 no nahavitan’ity trano fiangonana fahatelo ity. Biriky tany, tafo herana no nanaovana azy io. Ny taratasin’ny Governora Jeneraly, Albert Picqué, tamin’ny 10 janoary 1914, no manamarina ny izany, ka iheverana ny maha ara-dalàna ny fampiasana ny trano ho fivavahana nanomboka tamin’io taona 1869 io. Voalazan’ny lovantsofina fa lehibe ihany ity trano ity.
Noravana ilay trano vita tamin’ny taona 1869. Novana kelikely noho ny teo aloha. Natao rindrina madio ivelany , notafoana taila tanimanga. Ny taona 1909 no vita io trano vaovao io
Ezaka lehibe no natao tamin’ny nananganana ity trano ity. Nohetsehim-panahy tokoa anefa ireo kristiana teo Mandrosoa ka tontosa ny asa. Fanomezana maimaimpoana avokoa ny fitaovana rehetra nanaovana ny trano. Olona valo (8) nanome ny biriky tanimanga : Rainiketamavo, Rainmanga, Rainiberiaka, Rainiharivelo, Rainisoamananoro, Rainibodomalanto, Rainimanandray, Rainiketaka 1. Nisy enina ambiny folo (16) mianaka kosa no nanao sy nanome ny biriky tany : Rainialison, Rainimavolahy, Rainivoalavo, Rasoamaharo Rakotomanga, Rainizanadranosy, Rainibekotomavo, Ranaivofanahy, Ramonjy, Rainimavo, Rainibezozoro, Rafaralahilesa, Rainijaona, Ramboa, Rainikotodaoro, Rainibotondriamialy, Raberiaka. Nanamarika ny faha 40 taona (1869-1909) niorenan’ny Fiangonana ity trano tamin’ny taona 1909 ityTao amin’ny tranon-tsoavalin’Ingahy Rainiketamavo no niangonan’ny kristiana mandra-pahitavan’ny trano. Teo atsinanan’n aviavy ny nisy izany tranon-tsoavaly izany.Ny rindrin-trano avaratra sy atsimo, amin’ny vatan-trano amin’ny ilany avaratry ny trano fiangonana ankehitriny, ilay maneho ny tanan’ny hajofijaliana, ahitana ireo varavarankely tranainy efatra, no mbola notazonina, ho vavolombelon’ny Tantara, rehefa natao ny fanavaozan-trano taty aoriana.
5° Ny trano fiangonana fahadimy
Fanavaozana lehibe no natao. Nitarina mianatsimo ny trano fiangonana, natao hanana endrika hazofijaliana, araka ny maritrano nataon’Ingahy Rakotomanana, mpiasa tao amin’ny asa vaventy. Ny fivorian’ny Mpandray Fanasan’ny Tompo tamin’ny alahady 30 janoary 1955 no nanapaka izany hevitra izany. Ny fitaran’ny tanàna sy ny fahateren’ny trano fiangonana, tsy antonona ny olona tonga mivavaka intsony rehefa fotoan-dehibe, no antony nahatonga ny Ankatoky ny Fandraisana hanao io fanapahan-kevitra io. Lehibe tokoa ny fanitarana noheverina. Roa amby efapolo (42) metatra amin’ny lavany sy roa ambiny folo (12) metatra amin’ny sakany mantsy izany fanitarana izany, trano hahatonga ny taranaka ho « afa-po sy fahasahiranana » ka « tsy halaky hanova izany » no hatao, araka ny voalazan’Ingahy Ramanamizao Michel, Mpitantsoratry ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany.
Ny taona 1998 no nanokanana ity trano fiangonana araka ny sary fototra
nanapahan-kevitra tamin’ny 30 janoary 1955 ity
Naharitra ela tokoa ny fananganana ny trano. Telo amby efapolo taona taty aoriana mantsy vao vita, araka ny endrika niheverana azy ity fanitarana ity.
Tamin’ny Krismasy 1968 no nisantarana ny fampiasana ny trano lehibe atsimo. Mbola najanona tamin’ny endriny tamin’ny 1909 kosa ny tapany avaratra. Nitsaha-ketriketrika nandritra ny roapolo taona latsaka teo ny asa fanavaozana. Ny taona 1986 hatramin’ny 1993 no nihetsiketsehana indray nananganana ny elatra andrefana sy atsinanana. Ny taona 1991 no nanovana ho fanitso ny tafo tanimanga tamin’ny vatan-trano avaratra. Ny taona 1998 no nahavitan’ny tilikambo, taona nitokanana ny Fiangonana, teo ankatoky ny faha 130 taona niorenany.
Homarihana ny Sabotsy JONA 2021 ho avy izao ireo taom-pankalazana ireo . Ny Fanompoampivavahana ho fisaorana an’ Andriamanitra izay hatao ao amin’ny FJKM AMBOHITANTELY . manomboka amin’ny 9 ora maraina ny fotoana .
Marihina fa ny tsangambaton’izany Taom-pankalazana izany dia ny fanarenana ireo foto-drafitra asa simba sy rava eto amin’ny Seminera. Anisan’izany ny Lakozia sy Trano Fidiovana an’ny Manambasy , Toeram-pisakafoana ho an’ny tsy manambady hatao Chalet eo an-tokontany ; Rindrimbato sy totohatra midina mankany amin’ny Chapelle ary fefy tamboho ao ambany andrefana.
Dia manantena ny fandraisantsika anjara biriky amin’izany Tsangambato izany ho fanatsarana ny toeram-ponenan’ireo mpiomana ho Mpitandrina monina ao @ Seminera AMBATOBEVANJA ankehitriny.
« Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin’ny fahiny … » Isaia 61.4
Tantaran’ireo boka 10 lahy nositranin’i Jesoa ity ambara eto ity . Tantara izay mampiseho amintsika fa misy olona sitrana (afaka amin’ny habokana ) dia mijanona eo , misy kosa voavonjy ( voavela hatramin’ny heloka ). Rehefa manatona an’i Jesoa ny olona ka mangataka fanavotana Aminy dia mahazo tombony avy amin’izany . Raha te- hahazo famonjena dia :
1-Mankato ny Tenin’i Jesoa (and 14)
Rehefa nangataka ny hositranin’i Jesoa ireto boka ireto dia hita eto amin’izao and 14 izao fa rehefa mandeha , nankato ny Tenin’i Jesoa izy ireo dia sitrana sy nadio teny am-pandehanana . Amin’ny alalan’ny fankatoavana an’i Jesoa sy ny teniny no nahazoana famonjena . Izay mankato an’i Jesoa dia hahita fiovam-piainana lehibe eny am-pankatoavana an’i Jesoa . Raha tianao ny hahita zava-mahagaga avy amin’ny Tenin’Andriamanitra , ankatoavy izany . Andriamanitra Jesoa ka mahay manatanteraka izay lazainy sy hibaikony .
2-Misaotra an’Andriamanitra ( and 15-19)
Rehefa niverina nisaotra an’Andriamanitra ny iray dia nahazo famonjena . Izany hoe: tsy sitrana ara-batana fotsiny fa nahazo famelankeloka. Fahasitranana ara-panahy . Tsy sitrana fotsiny fa voavonjy mihitsy . Ny fankalazana an’Andriamanitra nataon’ity boka iray sitrana ity dia endriky ny fankasitrahany an’Andriamanitra , endriky ny fisaorany an’Andriamanitra tamin’ny zava-mahagaga nataon’Andriamanitra taminy . Noho izany dia voavonjy izy fa tsy nijanona fotsiny teo amin’ny fahasitranana ara-batana . Izay hahavoavonjy no tsara hanatonana an’i Jesoa sy hangataham-panavotana Aminy . Izany rahateo no tena antony nahatongavany teto amin’izao tontolo izao .