Hafatry ny Filoha/ Jiona 21
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Ny Fanahy anie hiasa
Hahatonga antsika hahery
Hahalala izay adidy
Manandrify antsika avy
Ka hahefa izany tsara,
tsy hitavandra olon-kafa,
tsy hanilika amin’ny hafa,
fa ho sahy mandray andraikitra.
Ny Fanahin’ny fahendrena
Anie hampanadino antsika
Ny kajikajy politika
Rehefa ny ain’ny firenena
No efa tandindomin-doza!
Ny Fanahin’ny fahamasinana
No hanongotra ny fakan’
Ny sampy mioriona any am-po
Izay mahatonga ireo milaza
Ho tena mpino an’Andriamanitra
Nefa misabaka ihany
Ka mitady hery hafa
Hiantsampazana, hiankinana.
Ka izy ireny indray no poizina
Ho an’i Madagasikara.
Nampoizina ho tena mpino,
fanasina sy fahazavana;
nefa loza, lozan-tany,
fa mpihatsaravelatsihy
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
IRAKO AMMI