Antso / fivorian’ny MF

FIVORIAN’NY MPIANDRAIKITRA FOIBE FJKM NY

16-23 JONA 2021

Ny Alarobia 16 ka hatramin’ny 23 jona 2021 izao ao amin’ny CFD Ampandrana Antananarivo no hanatanterahina ny fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM, izay tokony natao ny volana Aprily lasa teo sy amin’ity volana jona ity. Hanomboka amin’ny 8 ora sy 30 mn maraina ny fanokafana amin’ny fombam-piangonana.

Izay raharaha maika indrindra aloha no hotapahina amin’izany toy ny tetibola enti-miasa sy fankatoavana ireo Tonia sy Tale ary fandraisan-tànana mpitandrina ary indrindra koa  mahakasika ny Synoda Lehibe izay hotanterahina any Sambava ny volana Aogositra 2021 ho avy izao.

Nanentana ny Kristiana rehetra ny Filohan’ny Birao Mpiandraikitra Foibe FJKM, Dr. IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, mba samy hitrotro am-bavaka izany sy  hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra isika rehetra.

Evariste RASOLOHERY

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV