Alarobia 09 Jiona 2021

Marka 11.20-24

Mivavaka sy mino

Mampianatra I Jesoa fa rehefa mivavaka dia tsy maintsy arahina finoana izany. Raha miahanahana isika rehefa mivavaka dia tsy hahazo valim-bavaka. Rehefa mangataka kosa anefa isika sady mino dia tonga izay angatahina. Izay mivavaka sady mino dia:

1- Mahatanteraka izay lazainy (and 20)

Rehefa niteny I Jesoa dia tonga nalazo ilay aviavy. Andriamanitra tokoa Jesoa ka manana hery sy fahefana hahatanteraka izay nolazainy. Tena natoky an’Andriamanitra rahateo izy, tsy mba hita ho nisalasala. Lojika raha toa ka tanteraka avokoa ny zavatra rehetra noteneniny. Tsy vao teto akory no nahitana izany, fa izay rehetra notenenin’i Jesoa ao amin’ny Filazantsara dia notanterahin’Andriamanitra rahateo , ary ara-dalàna raha tanteraka izay noteneniny.

2- Mahazo valim-bavaka (and 24)

Rehefa mangataka isika dia tsy mahazo misalasala. Ny fisalasalana mantsy dia mariky ny tsy fahatokiana an’Andriamanitra. Ary raha tsy matoky an’Andriamanitra, tsy hahazo valim-bavaka. Rehefa mivavaka dia zavatra takiana ny finoana, mahazo manantena valim-bavaka avy amin’ny Tompo isika rehefa matanjaka ny finoana. Ny finoana mantsy dia fahatokiana fa tena hamaly vavaka tokoa Andriamanitra. Aza hadinoina fa marina mandrakariva ny Tenin’i Jesoa hoe : » Lazaiko aminareo marina tokoa : Raha manam-pinoana hianareo ka tsy miahanahana… ary na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo » Mat 22.20,21

Fanontaniana:

Inona no tsara : Mivavaka aloha vao mino, sa mino aloha vao mivavaka, sa mino sady mivavaka ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV