Kolejy P. Ambatobevanja

Faha- 120 Taonan’ny KOLEJY PROTESTANTA AMBATOBEVANJA

Faha- 30 Taonan’ny SEMINERA FJKM AMBATOBEVANJA

Homarihana ny Sabotsy JONA 2021 ho avy izao ireo taom-pankalazana ireo . Ny Fanompoampivavahana ho fisaorana an’ Andriamanitra izay hatao ao amin’ny FJKM AMBOHITANTELY . manomboka amin’ny 9 ora maraina ny fotoana .

Marihina fa ny tsangambaton’izany  Taom-pankalazana izany dia ny fanarenana ireo foto-drafitra asa simba sy rava eto amin’ny Seminera. Anisan’izany ny Lakozia sy Trano Fidiovana an’ny Manambasy , Toeram-pisakafoana ho an’ny tsy manambady hatao Chalet eo an-tokontany ; Rindrimbato sy totohatra midina mankany amin’ny Chapelle ary fefy tamboho ao ambany andrefana.

Dia manantena ny fandraisantsika anjara biriky amin’izany Tsangambato izany ho fanatsarana ny toeram-ponenan’ireo  mpiomana ho Mpitandrina monina ao @ Seminera AMBATOBEVANJA ankehitriny.

« Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin’ny fahiny … » Isaia 61.4

Perikopa 2021

Jona: ANORENANA NY MAHA-KRISTIANA NY FINOANA

| | 20. Ala.III . man Trinite-Sampana Vokovoko Manga
Oha 23.26-35/ Mat 23.1-12/ 1 Pet 4.1-6

| | 27. Ala.IV man.Trinite
2 Mpanj 22.11-20/ Mat 16.13-19 / 1Kor1.4-9

Jolay: MIORENA AMIN'NY ANTSON'NY TOMPO

| | 04. Ala.V man Trinite
Gen 12.1-9/ Lio 5.27-32/ 2Tes 2.13-17

| | 11. Ala.VI man .Trinite-Sampana Tanora Kristiana
Eks 3.7-14/ Jao 10.1-10/ Asa 7.30-38

FJKM Fahazavana

FJKM ANKADIKELY ILAFY