Alarobia 16 Jona 2021

Eksodosy 2.1-10

Anorenana ny maha Kristiana ny finoana

1- Finoana mitondra fanavotana

Araka ny hitantsika ao amin’ny toko1 and.22, dia namoaka didy fara: « …Ny zazalahy rehetra izay teraka dia ario an’i Neily, fa ny zazavavy rehetra kosa no velomy ». Izany no ataon’izao tantara hitantsika eto izao. Hevitra hitan’izy mivady dia ny narary ny zaza teo amoron’i Neily. Mahagaga fa Farao nandidy ny olona hanary ny zaza ao Niely ary izy mivady ireto koa dia nandefa ny zaza ao Neily rehefa nataony tao anaty fiara zozoro. Ilay toeram-pahafatesan’ ny zazalahy rehetra no nanaterany ny zanany lahy, izay mbola tsy hainy fa hataon’Andriamanitra fitaovana hamonjy ny vahoakany. Moa tsy toy izany ihany koa va ny namonjen’Andriamanitra antsika? Nirahiny ny zanany izay tsy nanota ho tonga ota hamonjy antsika ao anatin’ny fahotana. « Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika » (2Kor. 5.21). Ho antsika : aza izay tsara ataontsika ihany no aseho an’i Jesoa fa asehoy sy ifony Aminy ihany koa ny fahotana hahafahany miditra manadio antsika.

2- Finoana mitondra famonjena

Nahita ny zaza ny zanakavavin’i Farao ka onena sy namindra fo tamin’ny zaza ka nandray sy nihevitra hikarakara azy. Tokony ho namono ny zaza ity zanakavavin’i Farao ity raha ny lalàna navoakan’ny rainy izay tsy maintsy tanterahina. Tsy izany anefa no nitranga fa namindra fo tamin’ny zaza izy. Dia nanao ny fandaminana hahaveloman’ny zaza . Mahagaga ny fitantanan’Andriamanitra fa rehefa nanatanteraka ny fanafenana ny zaza tamin’ny finoana ny ray aman-dreniny, na dia ny fahavalo aza dia tonga ho fitaovam-pamonjena ho azy ireo ka nahavelona ny zaza. Moa tsy toy izany va ny fiainantsika? Ataon’Andriamanitra hiara-miasa ny zavatra rehetra hahasoa antsika raha tena mino isika.  » Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo » (Rom. 8.28)

Fanontaniana:

Efa nandeha tamin’ny finoana ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV