Talata 02 Martsa 2021

2 KORINTIANA 1.3-7

Ireo antony isaorana an’Andriamanitra

Rehefa mamaky ny Epistily nosoratan’i Paoly isika dia miverimberina amin’ny zavatra nosoratany ny fisaorana an’Andriamanitra . Nisaotra an’ Andriamanitra i Paoly noho ireo asan’Andriamanitra teo amin’ny fiangonana kristiana. Antony roa no isaorana an’ Andriamanitra eto :

1-Mampionona Izy (and 4,5)

Ambaran’i Paoly fa Andriamanitra no nampionona azy tamin’ny fahoriany. Koa satria nampiononina sy nampaherezina izy dia tonga mpampionona sy mpampahery ny Fiangonana koa. Izay mahery ihany tokoa no afaka mampahery ny hafa. Hafatra nomen’i Jesoa an’i Petera izany. Hoy i Jesoa tamin’i Petera : »rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao » Lio 22.32

2- Mampiombona Izy (and 6,7)

Ny asan’Andriamanitra teo amin’i Paoly nanana toe-tsaina tia niombona tamin’ireo kristiana sy Fiangonana kristianina nitoriany ny Filazantsara. Amin’i Paoly dia iombonana ny fahoriana, iombonana toy izany koa ny fampiononana sy ny fampaherezana. Io fiombonana amin’ny zavatra rehetra io no mampatanjaka ny Fiangonana. Koa na dia misedra zava-tsarotra aza ny Fiangonana dia hahajoro mandrakariva noho io fiombonana io. Asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina io fampiombonana ny Fiangonana io. Koa izay rehetra manaiky ny asan’ny Fanahy Masina no hanana toe-panahy tia fiombonana toa an’i Paoly.

Fanontaniana:

Inona avy koa ireo antony tokony hisaorana ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV