Alarobia 06 Janoary 2021

1 TIMOTY 1.12-17

Maneho ny maha-Andriamanitra Azy ny Tompo

1-Amin’ny fanendreny olona

Andriamanitra no nanendry sy nifidy azy ho mpanompony . Izany indrindra no antony ilazan’i Paoly hoe : « fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ny fanompoana  » (and12b) . Tantarain’i Paoly Apostoly ny làlana nolalovany . Ambarany amin’izany fa ny indrafon’Andriamanitra no nanome hery azy hahatontosa ny fanompoany . Raha amin’ny fisainana sy fijerin’olombelona dia tsy mendrika ho isan’izay tokony hofidina na hotendrena ho amin’ny asan’Andriamanitra ny olona tahaka azy : mpiteny ratsy ny Anaran’ Andriamanitra , mpanenjika sy mpampahory . Izany tokoa ny tantaram-piainany . Tsy mba tahaka ny fijery sy fitsaran’ny olona anefa ny fijerin’ny Tompo . Izany no maha- Andriamanitra Azy .

2-Amin’ny famindrampony

Tsapan’ny Apostoly ny faharatsiany tamin’ny andro lasa , tsy manamarin-tena izy , raha nilaza fa noho izy mbola tsy nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataony no nahatonga azy hahavita ireny toetra ratsiny taloha ireny . Nahatsiaro ny tenany ho lohan’ny mpanota azy izy (and15) . Tiany hasongadina kosa fa lehibe taminy ny famindrampon’Andriamanitra mba hamonjena azy . Ary izany no nahatonga azy hanambara fanekempinoana mikasika ny asa nanirahan’Andriamanitra an’i Jesoa . Hoy indrindra Izy amin’izany : « Mahatoky ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra izao teny izao : tonga tety ambonin’ny tany Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota , ary amin’ireny izaho no lohany  » (and15). Mpamindra fo ny Tompo Andriamanitra , ka niniany tsy nojerena ny andron’ny tsy fahalalana . Ankehitriny kosa Izy dia mandidy ny olona rehetra mba hibebaka (Asa 17.30) .

Fanontaniana :

Nahoana no nifidy an’i Jodasy ho isan’ny Apostoly i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV