Alahadin’ny SAFIF 2020

 Fandaharana iombonana

MIROSOA AMIN’NY FINOANA MASINA.

Fiarahabana apostolika : · Rom. 1 : 7

Fiderana : · Sal. 150

· Hira SaFiF 358

· Vavaka

Sitrapon’Andriamanitra : · Efe. 5 : 14-21 ; 6 : 16

· Sal. 119 : 1 , 2

· Hira SaFiF 337

Fiaiken-keloka : · Vavaka

· Hira SaFiF 105

Famelan-keloka : · Sal. 103 : 8 – 13

· Sal. 32 : 1 , 2

· Hira 324

Fanekem-pinoana Apostolika

Raharahan’ny Fiangonana : · Mpitantsoratry ny Fiangonana,Mpitandrina

Rakitra : · Hira Antokompihira ; Seha-pitaizana

· Vavaka

Tenin’Andriamanitra : · 5 mn-n’ny SEKOLY ALAHADY

· Hira SaFiF 70 : 1 , 2

· Vavaka

· Vakiteny :

§ Isa. 7 : 1 – 9

§ Jao. 4 : 46 – 54

§ Kol. 2 : 4 – 7

· Hira SaFiF 249 : 1 , 5

· Toriteny

· Feonjavamaneno

Vavaka fangatahana : + V.N.T.

Asa sy Fampaherezana :

Famaranana : • Hira SaFiF 361 : 1 , 3

• Tsodrano : Rom. 15 : 13

• Hira SaFiF 313

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena

HAFATRA

 « Ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana

avy  amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy, Zanaky ny Ray, amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana. » ( II Jao. 3 )

Ny tantara dia maneho amintsika fa nandritra ny krizy manerantany sy teto amin’ny firenena dia eo foana ny Tompo ary mamaha ny olana rehetra . Mamporisika antsika hiaina hatrany ny Teny Faneva hoe : «MIFOHAZA TSARA » izany koa no hahafahantsika mitaona ny vahoaka ho amin’ny fibebahana ary hitondrantsika fampaherezana ho an’ny reraka. Ankoatry ny asa efa fanao dia iarahantsika mahalala fa nanana fikasana maro isika tamin’ity taona 2020 ity :

• Fiofanan’ny IRAKA sy ny Ray Amandrenin’ny Toby ary ny Birao

Mpitantana ny Toby ;

• Fiofanan’ny Biraon’ny Sampana Fifohazana Synodamparitany ;

• Fanamarihana ny faha-20 taona maha-Mpitandrina ny Tonia ROBSON RADO Lalaina Johary, Mpitandrina

• Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-40 taonan’ny SAMPANA FIFOHAZANA .

• Fihaonamben’ny Seha-pitaizana

• Fanorenana ny trano Fiangonana any amin’ny Kaominina TSIMAFANA – SP 36

Tsy tontosa anefa izany noho ny zava-misy . Koa andeha isika hivavaka mba hanomezan’ny Tompo fotoana hahafahana manonitra izany : « Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo, na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. » ( Fil. 2 : 13 ) . Na izany aza dia manasa antsika hiara-mientana amin’ny Tsangambaton’ny faha-40 taonan’ny SAMPANA FIFOHAZANA : Fanorenana IVON-TOERANA eny Antoby – Ambohimanga Rova SP 19.

Manoloana izany sy ireo asa maro miandry antsika, dia misaotra ny Tompo isika, Ilay Andriamanitra velona, miasa eo amin’ny Sampana Fifohazana ; Misaotra antsika Birao sy Mpikambana rehetra ary ny Mpitandrina sy ny Fiangonana niara-nientana tamin’ny ezaka efa vita .Ary ankehitriny dia manainga antsika hiara-hiombona sy hiray hina indray amin’izao ALAHADIN’NY SAMPANA FIFOHAZANA izao.

Dia mamangy sy manao veloma anareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Ilay Lohan’ny Mpiandry izahay.

Ny Filoha

RAKOTONDRAMANANA Arijaona, Mpitandrina

Ny Tonia

ROBSON RADO Lalaina Johary

Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV