Alakamisy 24 Septambra 20

MALAKIA 2.1-9

Ireo toetra takiana amin’ny mpiandraikitra tsirairay avy eo anivon’ny Fiangonana

1-Mihaino, mandatsaka ao am-po , manome voninahitra ny Anaran ‘Andriamanitra

Ny Mpisorona dia ireo nomena andraikitra manokana hisahana ny fisoronanana. Izy ireo no nisolo tena ny olona hampita ireo fanatitra sy ny fifonana amin’ny Tompo . Izy ireo koa no omen’ny Tompo fahefana manokana hanolotra tsodrano. Izany dia fanompoana masina izay mitaky fahamasinana, fahadiovam-po ary fitondrantena mendrika.Tsy natao hanararaotana fahefana na atao am-pahazarana fotsiny fa adidy miavaka. Ny Tompo mihitsy no nametraka fepetra eto amin’izay misahana andraikitra manokana eny amin’ny alitara mba hihaino , handatsaka am-po ary hanome voninahitra ny Anaran’ny Tompo .

2-Mamantatra ny valin’asa avy amin’Andriamanitra

Mizara roa miavaka tsara ny valin’asa avy amin’ny Tompo . Fiainana, fiadanana (and5) ho an’izay mandeha amin’ny làlan’ny fahamarinana . Ozona sy fahatezerana kosa no miandry ireo mpivily làlana (and2-3). Ho an’ny Mpisorona sasany izay tsy miorina tsara dia tsy izy irery no voa fa ny tsodranony koa dia tonga zava-poana (and2) , hany ka misy fiantraikany amin’ny vokatra any an-tsaha izany , manakana ireo fitahiana efa sitraky ny Tompo ho an’ny vahoakany . Soa ihany fa teo i Jesoa , Ilay Mpisorona tsy manan-tsiny sady fanantenana ho antsika .

Fanontaniana :

Tanisao ireo andraikitra mitaky fahamatorana sy fahamasinana manokana eo amin’ny Fiangonana .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV