Sabotsy 12 Septambra 2020.

JAKOBA 5.16-20

Miasà amin’ny fatahorana an’Andriamanitra

1-Mifaneke heloka , mifampivavaha mba ho sitrana

Matetika dia ny tsy famelana heloka eo anivon’ny fiombonana kristiana tamin’ny fahadisoana natao no tsy mampandroso , fa mitarika ho amin’ny fihemorana . Misakana ny vavaka ataontsika mpino ny fahotana ka tsy hananantsika fahombiazana . Asaina mitsotra isika mba ho ambinina ary ho sitrana ka afaka mifandray amin’Andriamanitra sy ny mpiara-mivavaka. Ny herin’Andriamanitra miasa eo amintsika tsirairay koa no ananantsika fatahorana Azy . Koa aoka isika hifampiaiky heloka , hifampivavaka mba ho sitrana , fa hoy ny Soratra Masina : » Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’ Andriamanitra » (Isaia 59.2) . Jesoa Kristy dia efa namela ny helotsika , ka tokony hifamela isika (Kol 3.13).

2-Maharitra amin’ny fivavahana marina

Elia dia lehilahy manam-pinoana , miasa tamin’ny fatahorana . Mino izy fa Andriamanitra dia afaka miditra an-tseahtea eo amin’ny sehatry ny natiora, ary mino koa izy fa Andriamanitra dia mihaino ny vavaka ataon’ny olona marina (and13,16. Sal 34.6. 2 Tes 3.1 ) . Mitondra hery ho an’ny asa fanompoana tokoa ny fahamarinan’ny vavaka atao , vavaka tsy misalasala na mihambahamba , vavaka feno faharetana handresena an’i satana. Mampisandratra ny ara-panahy , ahafahana mandray ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy . Aoka àry mba ho marina ny vavaka ataontsika , ary haharitra amin’izay nekena .

Fanontaniana :

Marina ao amin’ny Tompo ve ny vavaka ataonao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV