Sabotsy 01 Aogositra 2020

MATIO  2.13-15

MAHATOKY HATRAMIN’ny FAHAFATESANA NY  MINO

 1-Mibaiko ny  olony  ny Tompo

Ny  tantaran’i Jesoa  fony  Izy mbola zazakely  vao teraka no voalaza eto .Tonga namangy  Azy ny  magy   ary rehefa lasa nandeha izy  ireo   dia nisy  baiko  avy  amin’ny Tompo  Andriamanitra tamin’ny alalan’ny anjely  ho an’i Josefa ary  miantefa  amin’ny zazakely  sy ny reniny  koa. Mariho  tsara fa rehefa baiko  dia baiko  , tahaka  ny any  amin’ny miaramila mihitsy : mifohaza , izany hoe : tsy  maintsy  ho tapaka  ny torimaso  ka hiteraka  fahasorenana mafy  izany. Tsy vitan’izany   anefa  fa ento ny zazakely  sy ny reniny  dia mandosira any Egypta  .Hevero  kely ny fahasarotan’izany  toe-javatra  izany : vao terabao  i Maria , izany hoe : mbola marefo , tsy maintsy  ho voakotaba  amin’izany zava-misy  izany  ilay zazakely , kanefa mazava ny baiko : mifohaza , ento ny zazakely sy ny reniny dia mandosira.

2-Mila fankatoavana izany baiko izany 

Toa tsotra dia tsotra ny  filazana ny zava-misy eo amin’ny and 14 , nefa hevero  fa tokony  ho nisy  baraingo  maro samihafa  mihitsy  tao an-tsain’i Josefa      hoe : Inona no hohaninay ? Inona no handehananay ? Aiza no hitobianay ? Hanao ahoana  ny ho fiainanay ?…Tsy ahitana taratra izany anefa eto  raha ny marina fa dia  baiko  mazava sy fankatoavana tsy misy fepetra  no misy eto . Ny ao an-tsaina manoloana izany  dia ny fatokiana ny fitantanan’ny Tompo Andriamanitra ny fiainan’ny olona tokoa satria hoy ny teniny hoe : « ny zanako sy ny asan’ny tànako  dia aoka ho  adidiko ihany »  (Isa 45.11) ary  tokony  ho  ao an-tsaina hatrany  koa ilay tenin’ny Tompo  Jesoa ao amin’ny Mat 6.32-33 .

Fanontaniana :

Mbola vonona hankato  tsy  misy fepetra ny baikon’ny Tompo  ve ny olona ankehitriny ?

Sampana Sekoly  Alahady FOIBE  FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV