Alatsinainy 06 Jolay 2020.

1 KORINTIANA 8.8-13

Olona afaka ao amin’i Kristy ianao

1-Ivelomy ny fahafahanao

Ny hevitry ny teny hoe: « fahafahana » dia fananana safidy malalaka na fahefana mitondra ny fiainany araka izay tiany , nefa ao amin’i Kristy . Ny kristiana tao Korinto na dia hoe : vao niana-namindra amin’ny fiainana kristiana aza , dia nisitraka io fahafahana io . Izany hoe : nanana fahefana sy safidy ny amin’izay hataony sy hitondrany ny fiainany fa tsy voatery nanaraka amin’ny antsipirihany sy ara-bakiteny ny lalàna Jiosy .Tsy fahafahana baranahiny akory no ambara eto fa safidy baikon’ny maha- efa an’i Kristy . Koa satria efa ao amin’ i Kristy izy dia tsy mampaninona azy akory na hihinana na tsia ny hena efa naterina tamin’ny sampy .Isika mpino koa dia tokony hiaina amin’ny fahafahana , nefa tsy hanadino fa iainana ao amin’i Kristy izany .

2-Nefa aoka tsy hanafitohina ny hafa izany (and9b)

Saingy mampianatra ihany koa i Paoly , fa tsy tokony entina amin’ny fitiavan-tena ka tsy hiheverana afa-tsy ny tena io fahafahana io , fa fahafahana miteraka andraikitra . Izany hoe : tokony hitsinjovana ny hafa izay mety ho fiantraikany mba tsy hanjary vato mahatafitohina .Ny olona efa ao amin’i Kristy no jeren’ny malemy , ka raha tsy voalanjalanja ny atao dia hampiditra ny hafa amin’ny fahotana ilay fahafahana , ary dia hanjary vato mahatafitohina . Ny olona efa ao amin’i Kristy no jeren’ny malemy , ka raha tsy voalanjalanja ny atao dia hampiditra ny hafa amin’ny fahotana ilay fahafahana , ary dia hanjary heloka eo anatrehan’ Andriamanitra indray satria toy ny manisy vato eo anoloan’ny jamba hahapotraka azy (Lev 19.14). Aoka hahay handefitra ny amin’izay heverintsika ho zava-maivana ho an’ny tenantsika isika , fa hijery izay mety ho vokatr’ izany amin’ny hafa .

Fanontaniana :

Lazao izay fihetsika mety hanafitohina ny olona mbola malemy ka azon’ny kristiana tsy atao .

Sampana Sekoly AlahadyFOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV