Talata 30 Jiona 2020.

JAKOBA 3.13-18

« Iza aminareo no hendry sy manam-pahalalana ? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena » (and13)

Mihavàna ao amin’ny Tompo

Hatrany amin’ny and 1 no miresaka momba ireo izay te- ho mpampianatra eo amin’ny Fiangonana i Jakoba .Mbola tohin’izany ity eto amin’ny and13 ity . Ny fahendrena sy fahalalana dia zavatra tsy afa-misaraka raha ny heviny izay asehony eto . Toetra tsy azo ajanona fotsiny izany fa indro ambarany izay ilàna izany.

1-Fitondrantena tsara manampy amin’ny asa tsara

Ny fotondrantena no tokony hodinihan’ny olona vao tokony hiroso amin’ny fanatanterahan ny asa. Ny asa izay lazaina eto dia ny asa fampianarana sy ny fitoriana ny Filazantsara .Paoly ihany koa dia efa nananatra ny Fiangonana ny amin’izany (Fil 1.27/1 Tes 2.12) , satria ny kristiana dia olona hitarika ny hafa ho ao amin’i Kristy .Ho takona ny asa tsara raha ratsy fitondrantena . Jesoa dia efa nanambara izany ao amin’ny Mat 5.16.

2-Asa tsara atao amin’ny fahalemem-panahy

Na tsara fitondrantena aza kanefa tsy mahay manetry tena fa feno fireharehana dia tsy mahasoa .Satria izay rehetra atao dia avy amin’ Andriamanitra . Na ny asa na ny hery hanatanterahana ny asa dia avy Aminy avokoa . Ilaina rahateo izany mba tsy ho takon’ny fahendrentsika olombelona ny an’ Andriamanitra .Jereo ny nataon’i Jesoa (vakio Fil 2.5-8)

Fanontaniana:

Inona no toetra hamantaran’ny olona fa kristiana ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV