Alatsinainy 09 Desambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 52.24-34

Nitohy teo amin’ny lafiny fivavahana ny famaizana an’i Jerosalema.

1-Novonoina mbamin’ny mpisorona

Nisy sisa tamin’ny vahoaka sasany nitolo-batana. Tsy novonoin’ny Babylona ireny fa nentiny ho babo fotsiny . Fa izay nandositra tahaka ireo mpitarika fivavahana tao amin’ny tempoly sy ny miaramila kosa novonoiny tany Riblà (and27) . »Lozan’ireo mpiandry ondry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko , hoy ny Tompo  » (Jer 23.1)

2-Mamindra fo ny Tompo

Tsy maintsy hisy farany ihany izao fahababoana izao . Ho an’ireo vahoaka sasany mahantra tavela tany Joda na lasan-ko babon’ny Kaldeana dia ny famindrampon’ny Tompo no hany fanantenany .

Rehefa maty i Nebokadnezara dia navoakan’i Evila-merodaka , mpandimby azy avy tany an-tranomaizina i Joiakima (and31), mpanjakan’i Joda , izay nobaboina talohan’i Zedekia (2 Mpan 25.27-30). Nahazo seza fiandrianana indray izy na dia tsy misy fahefana manaraka izany aza fa fomba fanajana amin’ny maha-mpanjaka azy fotsiny sisa (and32,34).

Ny famonjena antsika tokoa dia avy amin’ Andriamanitra Ray izay naniraka an’i Jesoa « mba hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany  » (Mat 1.21).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV