Fantaro ny FMBM

FIKAMBANANA MAMPIELY BAIBOLY MALAGASY·

Ny FMBM dia sehatra fiaraha-miasan’ny rafitra kristianina eto Madagasikara mba hampiroboroboana ny fampielezana ny Soratra Masina. Niforona ny 21 jona 1965 izy ary mpikambana mahefa tao amin’ny Fikambanana Mampiely Baiboly Eran-Tany (FMBET) tamin’ny taona 1972.

Madagasikara heniky ny fahalalana an’i Kristy amin’ny alalan’ny Soratra Masina no vina iorenan’ny FMBM ary mizara ho efatra lehibe ny antom-pisiany eto amin’ny firenena :
(1) Mandika ny Soratra Masina amin’ny fiteny azon’ny olona,
(2) Mamokatra ny Soratra Masina amin’ny endriny ilàn’ny olona azy,
(3) Mampiely ny Soratra Masina amin’ny vidiny takatry ny olona, ary
(4) Mampiofana sy manentana ny fandinihana sy ny fampiasana ny Soratra masina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV