Alarobia 06 Novambra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 31.1-14

Tsy misy mahay mitia tahaka an’i Jehovah . Diniho ange izay voalaza ato amin’ireto andininy ireto e:

1-Mahenika ny tokantrano rehetra ny fitiavany (and1)

2-Mitondra fitsaharana ny fitiavany (and2)

3-Mandrakizay ny fitiavany (and3)

4-Miteraka fifaliana ny fitiavany (and7)

5-Tsy manavaka na iza na iza ny fitiavany ka

6-na jamba na kilemaina , na marenina dia henika ny fitiavany avokoa (and8)

7-Miseho ho Ray manam-pitiavana Izy amin’ny fifandraisany amin’ny olona (and9)

8-Toy ny mpiandry ondry mitandrina ny ondriny no hitandremany izay notiaviny (and10)

10-Mampionona ny mitomany hanjary ho feno fifaliana ny fitiavany (and13 )

11-Mahatonga Azy hamoky soa ny olony ny fitiavany azy (and14)

Koa tiavo Izy fa tena tia anao ny zanany aza natolony , mba ho famonjena anao(Jao 3.16) . « Isika tia satria Izy efa tia antsika taloha » (1 Jao 4.19).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV