Alatsinainy 21 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 19.1-15

Tsy sasatra miala nenina ny Tompo

1-Nampanao fihetsika vaovao indray Izy : ny amin’ny siny vaky

Nirahin’ny Tompo i Jeremia hividy siny tanimanga (and1). Dia nasainy novakiny teo imason’ny loholona avy amin’ny vahoaka sy ny loholona avy amin’ny mpisorona izany mba hanambarana fa hotorotoroin’ny Tompo toy izany i Jerosalema (and10-11). Ny loholona avy amin’ny vahoaka dia misolo tena ny vahoaka tsy mandadiharona sy ny mpitondra azy, ny loholona avy amin’ny mpisorona kosa misolo tena ny mpitondra ara-pivavahana. Samy manatri-maso ny famantarana avokoa izy reo ka tsy misy afa-milaza ho tsy nahalala.

2-Mbola nampitoriteny an’i Jeremia indray ny Tompo rehetra

Tsy fihetsika fotsiny no nataony. Tena mbola nanao toriteny lava izy. Nopotsipotsiriny teo ny hadalana rehetra nataon’ny firenena Israely sy ny mpitondra azy tamin’ny nialany tamin’ny Tompo. Fa tena nampirehitra ny fahatezeran’ Andriamanitra ny fanompoan-tsampy nataon’izy ireo . Fieritreritra lalina izany ho antsika! Fa firifiry lalina izany ho antsika . Fa firifiry akory ny olona mitonona ho kristiana, nefa mamonjy ireny toeram-panasinana samihafa ireny ? Ny fiangonana sy ny zara fanompoana ao , tsy ialana, nefa ny fanasinana tsy foy. Halan’ Andriamanitra tanteraka izany . « Tsy misy olona mahay manompo tompo roa » , hoy i Jesoa (Mat 6.23). Tandremo àry!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV