SP 07/Mega concert
FANASANA

FANASANA
FANOFANANA KOMITIM-PIVONDRONANA
Daty : 20-21 SEPTAMBRA 2019
Toerana : FJKM ATSIMON’I MAHAMASINA
Vina : SAMPATI FJKM, Hetsi-panabeazana ho fampandrosoana ny Fiangonana sy Firenena
Tanjona : Komitim-pivondronana SAMPATI mahafantatra sy mahay ny andraikiny amin’ny maha mpitantana sy mpitarika azy ka afaka manatanteraka izany ho amin’ny fampandrosoana ny SAMPATI FJKM : Fitandremana- Synodamparitany- Foibe.
KOMITIM-PIVONDRONANA
KARAKARA
TETK’ORA | ZOMA 20 SEPTAMBRA 2019 | SABOTSY 21 SEPT 2019 |
7h-8h | Fandraharahana: (Badge, boky fiofanana, ) | Fandaminana samihafa |
8h-9h | Culte :Fanombohana :Perikopa : Lio.12, 35-40 | Culte : Perikopa : Mat.5,13-16 |
9h-10h | Fampianarana I : FANTARO : SAMPATI FJKM (Sampana sy Fikambanana) (Tonia sy Akomba Mazoto) | Fampianarana 4: NY FAHAIZA-MITARIKA (Tonia syVorompotsy Mijoro) |
10-11h | ||
11-12h | Fampianarana 2 : Zon’nyAnkizy (Vorompotsy Mijoro) | Fampianarana 5 : Ny andraikitry ny KP (Filoha sy Past Hanitra) |
12-13h | SAKAFO – FIALAN-TSASATRA | |
13-14h | ||
14 -15h | Fampianarana 3:Fandraharahana :Adidy sy fandrafetana soritrasa(Vonenina Milofo) | MAMY NY MODY |
15-16h |
FAMPITAOVANA sy FANDAMINANA
– Vidin’ny boky fiofanana sy Badge : 6000 Ar
– Mamelotena ny mpiofana rehetra (sakafo sy toeram-pilasiana)
MANOMPOA NY TOMPO AMIN’ NY FAHAMASINANA
VOLANA SEPTAMBRA 2019
01 | Lio 2.21-24 |
02 | Apo 2.18-29 |
03 | 1 Kor 1.26-31 |
04 | Eks 12.15-17 |
05 | Jos 24.14-18 |
06 | Efe 4.11-16 |
07 | Mat 23.16-22 |
08 | Jos 24.19-28 |
09 | Sal 93.1-5 |
10 | Zef 3.9-11 |
11 | Asa 6.1-7 |
12 | Fil 2.12-18 |
13 | Lio10.38-42 |
14 | Sal 2.10-12 |
15 | Amo5.21-27 |
16 | Lio 1.67-80 |
17 | Mat 5.21-24 |
18 | Jao 4.19-24 |
19 | 1 Kor 5.1-5 |
20 | Tit 1.5-9 |
21 | Eks 15.11-13 |
22 | Rom 12.1-2 |
23 | Sal 99.1-9 |
24 | 1 Tant 28.9-10 |
25 | 1 Kor 6.1-11 |
26 | Jao 15.1-8 |
27 | 2 Kor 6.1-11 |
28 | Mat26.6-13 |
29 | Heb 12.25-29 |
30 | Eze 20.39-44 |
Eze 20.39-44 /Mat 26.6-13 /Heb 12.25-29
1 Tant 28.9-10 /Jao 15.1-8 /Rom 12.1-2
Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 15.51-58
Ambaran’izao Soratra masina izao ny tsiambaratelon’ny fandresena ao amin’i Kristy ho an’izay mino . Hitsena sy hihaona amin’ny Tompon’ny Voninahitra isika.
1-Hitafy ny tsy fahalovana mandrakizay
Miomàna hitsena ny Tompo . Ny lamba na ny akanjo hoentintsika mitsena ny Tompo dia ny tsy fahalovana mandrakizay na ny maty na mbola velona izany (and51-52). Fahefan’ Andriamanitra manokana ny fanovana antsika, fa tsy ezak’olombelona akory « izay hanova ny tenan’ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin’ny tenan’ny voninahiny , araka ny fiasan’ny heriny , izay hahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy » (Fil 3.21).
2-Mpandresy mandrakizay isika
Ny fahafatesana no fahavalo farany tsy maintsy horesena. Ny dikany : ho avy tokoa ny fitsanganan’ny vatana ho velona . Tsy hanankery intsony ny fahafatesana fa ho resen’i Kristy tanteraka izy , ka tsy hoe i Kristy ihany no nitsangana tamin’ny maty, fa ny maty rehetra koa dia hitsangana avokoa. Ary rehefa hatafin’ Andriamanitra antsika ny tenan’ny tsi-fahafatesana dia ho MPANDRESY MANDRAKIZAY ISIKA (vakio 15.54-57).
3-Miorena tsara
« Koa amin’izany ry rahalahiko malalako , dia miorena tsara , aza miova ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo , satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina oa amin’ny Tompo » 1 Kor 15.58).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8
Fandalinana ny Boky 1 KORINTIANA
1 Korintiana 15.35-50
Mamaha ny olana mahakasika ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty hatrany i Paoly .Tena (vatana) manao ahoana no hitsangana amin’ny maty ? Rehefa hatsangana amin’ny maty isika dia:
1-Hitafy ny tenan’ny any an-danitra
« Ary misy tenan’ny any an-danitra , ary misy tenan’ny ety an-tany fa hafa ny voninahitry ny any an-danitra ary hafa ny an’ny ety an-tany (15.40). Tsy afaka handova ny lanitra ny tenan’ny ety an-tany . Manana tombony isika olombelona izay nataon’ Andriamanitra hitovy endrika Aminy (Gen 1.26-27) , ary nofofoniny fofonaina mahavelona (Gen 2.7). Efa nanomana vatana ho antsika izay mino ho afaka hifanatrika Aminy mivantana ny Tompo dia isika izay mitafy an’i Kristy (Rom 13.14).
2-Handova ny Fanjakan’ Andriamanitra isika
Handova ny fanjakan’ Andriamanitra ny marina , fa ny tsy marina kosa tsy mba hanana izany anjara lova izany (1 Kor 6.9-10) satria tsy mba manana ny vatan’ny voninahitra izy ireny (1 Kor 12.23) « …atsangana amin’ny voninahitra …atsangana amin’ny hery » (1 Kor 15.43). Aoka hanana fanantenana isika fa tsy maintsy ho tonga ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ny tenanao raha mino tokoa ianao . « Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny amin’ny tany no hitondrantsika ny endrik’ilay any an-danitra koa » (115.49). Tano hatrany ny finoana sy ny fanantenana ary ambonin’ izany ny FITIAVANA (1 Kor 13.13/ Mar 16.16/ Jao 3.36).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » boky faha-8
| |
22. Ala. I man. Trinite - S. Vokovoko Manga
Oha. 23. 19-25 | Lio. 12. 35-40 | 1 Kor. 10. 31-11.1
| |
29. Ala. II man. Trinite
1 Sam. 2. 1-10 | Jao. 10. 11-21 | Apo. 5. 1-10
| |
06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25
| |
13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25