Arsiva sy Tranombakoka FJKM / 35 T

Manamarika ny faha-35 taonany 

Mankalaza an’Andriamanitra noho faha-35 taona niorenany ny foibe Arsiva sy tranombakoka FJKM etsy Faravohitra. Ny Alarobia 8 May teo no nanokafana ny fampirantina sary  Izay notontosaina tetsy amin’ny efitrano 201 Ifanomezantsoa foibe FJKM Analakely. Naharitra telo andro izany ranty sary izany. Anisan’ny hetsika entina hanamarihina izao faha-35 taona izao izany. Tamin’izany no nahafahan’ny mpitsidika nahita ny ampahany amin’ ireo tahiry sy arsiva FJKM tehirizina ao Faravohitra. Fisarihina sy fampahafantarana ny maha sarobidy ny arsiva no anisan’ny tanjona ary fananganana ‘’Mozea ‘’ kosa no ho tsangambaton’ity fankalazana ity.

Raha tsiahivina dia natao tetsy amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny 17 Febroary lasa teo nandritra ny alahadin’ny arsiva ny fanokafana. Nisy fampiofanana andiany voalohany izay nanolorana taratasy fanamarinam-piofanana ny 2 sy 3 Mey lasa teo mahakasika ny arsiva sy ny tantaram-piangonana. Niantsoana solontenam-piangonana maromaro teto Antananarivo izany. Solontena avy amin’ny tranom-bokim-pirenena no tonga nampiofana sy nampanao fanazarana tamin’izany. Atoa Rakotonavalona Maholy Mpitandrina ao amin’ny FJKM Ambohitantely sady mpahay tantaram-piangonana no nampianatra ny maha zava – dehibe ny fitahirizana ny tantara ary laharam-pahamehena ny fananana arsiva sy  tantara mba hampandroso sy tsy hahavery ny maha izy azy ny fiangonana.

 Amin’ny volana Novambra 2019 kosa no  hanaovana ny iray volan’ ny Arsiva. Hisy sakafom-pifaliana hanasana ny rehetra amin’izany ho fanohanana ny asa eo anivon’izany sehatr’ asan’ny FJKM izany.

Ara-tantara dia trano kolejy LMS tamin’ny 1896 io lasa foibe arsiva sy tranom-bakoka etsy Faravohitra io ary tsangambato fahatsiarovana ny faha-150 taona nandefonana an-dRasalama martiora kosa ny arsiva FJKM eny Ivato.

Veronica Andrianarison

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV