Talata 09 Aprily 2024

Salamo 27.1-6

1- Fahazavana sy famonjena ho an’ny olona ny Tompo

Hita eto ny fahatokina tanteraka an’ Andriamanitra, manoloana ny zavatra mety mihatra amin’ny olona eto amin’izao fiainana feno faharatsiana izao. Heverina fa tena zava-dehibe izany satria noho ny zava-misy dia very fanantenana ny olona, tahaka ny valala voatango, hoy ny fitenenana, ka tsy tanana handrangotra na tongotra hitsipaka manoloana ny zava-tsarotra atrehany eo amin’ny fiainana. Ambaran’ny mpanao Salamo anefa fa fahazavana sy famonjena Andriamanitra eo anatrehan’ny zava-mitranga mamatotra sy mampijaly ary mety mamono ny olona. Inona tokoa moa no misy eo amin’ny fiainan’ny olona? Noheverina fa ho tsara sy hihatsara ny fiainana eo amin’ny fiaraha-monina araka izay nampanantenaina ny maro saingy ny mifanohitra amin’izany anefa no misy. Eo anatrehan’izany dia mampianatra sy milaza eto ny mpanao Salamo fa afaka mamonjy ny olona ny Tompo. Manana hery sy fahefana ho amin’izany izy ka mila mino sy matoky Azy ny olona tra-pahavoazana, ary mahay mametraka ny adiny eo Aminy (jereo Sal 50. 15).

2- Fiarovana ho an’ny olona ny Tompo

Hoy ny Malagasy manao hoe: « Aleo misoroka, toy izay mitsabo », Ny fiarovana izany dia atao amin’ny fotoana mbola tsy misy na nona na inona mitranga toy ny hoe arovana amin’ny aretina ny tena, mbola tsy marary akory fa misy fiarovana atao sahady mba tsy ho voan’ny aretina ny tena, Tahaka izany koa ny olona eo anatrehan’ny Tompo: aza miandry ho voa fa meteza harovan’Andriamanitra avy hatrany manoloana ny zava-dratsy maro samihafa eto amin’izao tontolo izao manimba ny olona.

Fanontaniana:

Mbola afaka mamonjy sy miaro ny olona ve Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV