Fotodalàna syFitsipika

Ny fifidianana tomponandraikitra

Ity taona 2019 ity no fotoam-panavaozana ireo tomponandraikitra rehetra eo anivon’ny Fitandremana sy ny Synodamparitany ary ny Foiben-tSampana sy Sampanasa ary Asa. Ny fanavaozana dia tanterahina amin’ny alalan’ny fifidianana izay ho tomponandraikitra. Koa ny amin’io fifidianana io indrindra no voalazan’ny Fitsipiky ny FJKM andininy 276 ka hatramin’ny andininy 285.

Ireo andian’andinin-dalàna ireo dia ao anatin’ny toko fahadimy ao amin’ny fitsipiky ny FJKM, momba ny “Ambaratongan-drafitra sy Ambaratongam-pitondrana”. Ny fotokevitra ao amin’ity toko ity, ny Fifidianana tomponandraikitra dia ho fanatanterahana izao: “handaminan’ny FJKM ny asany sy hiatrehany ny fijoroany ho Fiangonana Masina manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra dia misy ny Ambaratongan-drafitra sy ny Ambaratongam-pitondrana. Ny fandaminana Presbyteriana Synodaly, izay nolovana avy amin’ny fanitsiam-pivavahana tamin’ny taonjato faha-16 teo amin’ny Fiangonana Reforme, no arahina sy andaminana ny firafitry ny Fiangonana mbamin’ny fifampifehezana ato amin’ny FJKM.”

Mizara roa lehibe ny ambaran’ny Fitsipiky ny FJKM momba ny fifidianana. Andaniny ny fepetra ankapobeny ary ankilany ny fepetra momba ny fifidianana.

  • Fepetra ankapobeny momba ny fifidianana:

Mitsahatra eo amin’ny faha dimy amby enimpolo (65) taona ny fahazoana mirotsaka ho fidiana eo amin’ny ambaratongam-pitondran’ny Fiangonana, araka ny FDF and. 276: “Ny olona rehetra, na Mpitandrina na Laika, feno dimy amby enimpolo (65) taona dia tsy fidina na tendrena intsony amin’ny andraikitra ao amin’ny Ambaratongan-drafitra sy Ambaratongam-pitondrana”.

  • Fepetra momba ny fifidianana :

Ny Mpiandraikitra Foibe no mamaritra ny fotoam-pifidianana, iombonana, rehetra eo anivon’ny Fitandremana sy ny Synodamparitany ary ny Foibe, kanefa tsy maintsy hovitaina alohan’ny Synoda lehibe izany fanavaozana izany; mba ho fanatanterahana ny FDF and. 278 hoe: “Ireo Tomponandraikitra rehetra eo amin’ny Ambaratongan-drafitra sy Ambaratongam-pitondrana ato amin’ny FJKM sy ireo Tompon’andraikitra any amin’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa dia havaozina avokoa isaky ny efa-taona. Vitaina alohan’ny Synoda Lehibe izany fanavaozana izany araka ny fe-potoana omen’ny Mpiandraikitra Foibe”.

Araka ny fanapahan-kevitry ny Mpiandraikitra Foibe tamin’ny Oktobra 2018 lasa teo dia toy izao ny fe-potoana arahina amin’ity 2019 ity: – Janoary ka hatramin’ny Aprily : Fanavaozana eo anivon’ny Fitandremana. – Mey ka hatramin’ny Aogositra: Fanavaozana eo anivon’ny Synodamparitany. – Septambra ka hatramin’ny desambra: Fanavaozana eo anivon’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa Foibe.

Ankoatry ny Fotodalàna sy Fitsipika dia ampiharina ho fepetra hanatanterahana ny fifidianana ny voalazan’ny Fitsipika anatiny, any amin’ny Ambaratongan-drafitra sy any amin’ny Sampana sy Sampanasa ary Asa. Izany dia mba ho fanatanterahana ny Fitsipika and. 281 hoe: “Azo fidiana ireo olona mahafeno ny fepetra takina amin’ny fifidianana araka ny voalazan’ny Fotodalàna sy Fitsipika, ny Fitsipika Anatiny”.

Eto am-pamaranana, raha hanatanteraka fifidianana ny ambaratongam-drafitra rehetra dia tsara ny hanamafisana fa ilaina ho fitaovana handavorariana ny fifidianana ireto: “ny Fotodalana sy Fitsipika ary ny Fitsipika anatin’ny Fitandremana, Synodamparitany, Sampana sy Sampanasa ary Asa”.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Rasorapiangonana

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV