FJKM Quebec C./ Tantara

TANTARAN’ny FJKM QUEBEC CANADA

Toy izao ny topi-maso fohy mikasika ny tantaran’ny Fiangonana FJKM Québec:

  • Ny taona 2007 dia nisy fianakaviana FJKM vitsivitsy teto Québec nanana hetaheta mba hivavaka sy hidera an’Andriamanitra @ teny Malagasy. Vondrombavaka na karazana cellule de prière no natao nanombohana izany.
  • Ny Alahady 27 Jona 2010 no fotoana voalohany nanaovana fotoam-pivavahana protestanta teto Québec. Mbola tsy nanaraka ny litorjia FJKM tamin’izany fa nampiasa fotsiny ny fihirana FFPM sy ny baiboly protestanta.
  • Nifampitaona sy nifanatona avy eo ny fianakaviana miisa 5 ka nanolo-tena sy nanaiky hifanome tànana ary nanangana ny fiaraha-mivavaka. FPMK na Fiangonana Protestanta Malagasy eto Kebeka no natao anarany tamin’izany. Isaky ny 2 volana ny nanaovana azy ary natao nanaraka ny litorjia FJKM hatrany. Ireo komity ireo no niezaka nifandrimbona tamin’ny fanatontosana ny fotoana toy ny fitarihana, ny fitoriana ny teny, ny filazan-draharaha sns…
  • Ny Alahady 29 Aogositra 2010 no nanombohana nitondràna ny anarana fiaraha-mivavaka FPMK.
  • Tonga nanosika sy nampahery ny fijoroan’ny FPMK ny fiangonana FPMC ao Montréal ny 9 sy 10 Oktobra 2010. Teo no nanombohan’ny isan-kerintaona na koa Tafika Masina fifampaherezana teo @ mpiara-mivavaka aty Amerika Avaratra izay naseho hatrany amin’ny alalan’ny Gala évangélique na Rindran-kira ara-pilazantsara isaky ny action de grâce volana Oktobra.
  • Ho fanomanana io fahatongavan’i Montréal teto Québec io dia nitsangana ny Chorale FPMK nanomboka ny 11 Septambra 2010.
  • Ny 8 sy 9 Oktobra 2011 ny isankerin-taona andiany faharoa teto Québec ihany ary tonga nandray anjara sy nanotrona ny fiaraha-mivavaka protestanta avy any Ottawa izay nanomboka nivondrona niara-nivavaka ihany koa ary nitondra ny anarana FPMO na Fiangonana Protestanta Malagasy eto Ottawa.
  • Ho fanohanana sy ho fampaherezana ny FPMO dia natao tany Ottawa ny isankerin-taona andiany fahatelo ny 6 sy 7 Oktobra 2012 ka tonga tany an-toerana ny FPMK Québec sy ny FPMC Montréal.
  • Ny volana Desambra 2011 dia nanontaniana ny mpiara-mivavaka ny amin’ny hirosoana amin’ny fidirana ho fiangonana FJKM. Mpandray ny fanasan’ny Tompo 25 no namaly sy nanaiky avy hatrany ary nahatratra teo amin’ny olona 55 miaraka amin’ny fianakaviany avy. Nanomboka teo ny fifaneraseran’ny komitin’ny FPMK tamin’ny Pastera Charles Rakotonirina filohan’ny synodam-paritany faha-37 mikasika ny làlana izorana amin’ny firosoana ho fiangonana FJKM.
  • Nanomboka teo ihany koa ny fotoana nanombohana nanafatra Pasitera FJKM mba hamangy sy hifandrimbona, indrindra fa amin’ny fotoan-dehibe (Paska, Pentekosta ary Krismasy)
  • Ny taona 2012 dia natao indray mandeha isam-bolana ny fiaraha-mivavaka raha isaky ny 2 volana izany teo aloha. Notapahina fa isaky ny alahady voalohany no natao, izany
  • mba tsy hifanitsahan’ny fiaraha-mivavaka FPMC Montréal sy ny FPMK Québec ary ny FPMO Ottawa.
  • Ny volana Oktobra 2012 no natsangana ny Komitin’ny fitokanana ny fiagonana. Izy ireo no namaritra sy namolavola ary nandamina ny fandaharam-potoana rehetra. Tapaka fa ny 12 sy 13 Oktobra 2013 no hatao ny fitokanana sy fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Fiangonana FJKM Québec. Ary nanao dîner concert ny fiangonana ho firadiavam-bola hanatontosana ny fitokanana.
  • Ny volana Oktobra 2012 ihany koa no nanombohana nanaovana Sekoly Alahady teo anivon’nyfiangonana ary ny volana novambra 2012 ny asa sy fampaherezana voalohany tanterahin’ireo Mpiandry ary atao isaky ny 3 volana eo.
  • Septembre 2013 : Nahazo ny Lettres Patentes avy amin’ny Registraire des Entreprises du Québec ary misoratra ao @ Registre ny anaran’ny fiangonana hoe Église reformée de Madagascar à Québec na ny Fiangona’i Jesoa Kristy eto Madagasikara à Québec
  • Sabotsy 12 Oktobra 2013 : isankerin-taona andiany fahaefatra izay hanaovana ny Gala évangélique sady hamoahana ny Album CD Audio « Mandehana mitoria » an’ny Chorale ny fiangonana.
  • Volana Mars 2013, nivoaka ny teny faneva « Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra » (Matio 28:19a). Volana May 2013, vita ny hira faneva. Volana Aogositra 2013, tafavoaka soa aman-tsara ny logo. Ary ny 13 Oktobra 2013 ny fitokanana ny fiangonana.
  • Eo amin’ny 50 eo ny mpandray ny fanasan’ny Tompo eo anivon’ny fiangonana ary mahatratra 100 ny mpiara-mivavaka raha ny fanisàna natao farany.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV