Sabotsy 6 Aprily 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka ny MARKA

Marka 1.14-28

Tany Galilia faritany  misy an’i Nazareta , tanàna nahabe Azy  no nandehanan’i Jesoa nitory  voalohany  ny fanjakan’ Andriamanitra .

1-Niantso ny  mpianany voalohany  i Jesoa

Avy niasa ry i Petera sy Andrea , i Jakoba , I Jaona  no  hitan’i Jesoa  , fa mpanarato ireo  . Nantsoiny hanaraka Azy ireo  mba  hataony « mpanarato olona »(and17,20) . Nanaraka  an’i Jesoa ary  tsy nangataka andro ireo (and18).  Fantatra fa tsy mba nisy mpaminany avy tany Galilia (Jao 7.52) fa nisy  mpianatr’i Jesoa kosa. Miandry  anao i Jesoa  hanapa-kevitra hanolotra  ny fiainanao  ho Azy ary koa hanao  izay tiany  hampanaovina anao.

2-Nitoriteny  tao amin’ny synagoga i Jesoa

Toeram-pivavahan’ny Jiosy ny synagoga . Noroahin’ny olona hivoaka tao Izy , tany Nazareta tanàna nahabe Azy (Lio 4.28). Dia lasa nankany  Kapernaomy  Izy . Na izany aza , tsy nisalasala kely akory i Jesoa niditra indray tao amin’ny synagoga rehefa tonga tany. Nampianatra toy ny fanaony Izy (and21). Nisy lehilahy  iray azon’ny  fanahy maloto tao ka noroahany tamin’ny teny  feno  fahefana io fanahy  ratsy  io ary nanaiky Azy (and 27) . Nomen’i Jesoa fahefana hamoaka ny demonia ihany koa izay  rehetra mino  (Mar 16.15) . Ampiasao  izany fahefana izany mba hankalazana ny Anarany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV