Alahadin’ny AFIFAB 2019.

FANDAHARANA IOMBONANA


ALAHADY 24 MARTSA 2019


« Manamasina fiainana ho an’ny Tompo »


1-Fiarahabana Apostolika
II Kor.13: 14


2-Fisaorana sy Fiderana
Salamo 95: 1-3
Hira 211 : 3
Vavaka fiderana


3-Sitrapon’Andriamanitra : I Jaona 2: 3-5
Sambatra ny mahitsy lalana …..
Hira 307: 5


4-Vavaka fieken-keloka
Hira FF 34 : 1-3


5-Famelan-keloka
Jaona 5: 24
Sambatra ny olona izay …..
Hira FF 26: 2


6-Fanekem-pinoana Apostolika Laharana 4
Fotoana ho an’ny ankizy


7-Raharaha
Hafatra AFIFAB – FJKM
Rakitra


8-Soratra Masina
Hira 176: 1-2
Vavaka
Vakiteny : Deot. 28: 5- 14 / Jaona 8: 2- 11 / Efes. 5: 3- 7
Hira 190 : 2


9-Toriteny
Hira Antokom-pihira


10-Vavaka Fangatahana
Hira 338


11- Tsodrano

HAFATRA

Isaorantsika an’ Andriamanitra ry havana ary ankasitrahantsika ireo mpiara-miasa sy mpanohana rehetra fa mizotra tsara ny asan’ ny FIFAB FJKM hatreto. Efa mandeha soa amantsara ny Radio Fahazavana any Toamasina sy Ambatolampy, manampy ny eto Antananarivo sy Mahajanga. Ankehitriny dia eo am-pikarakarana ny Radio Fahazavana amin’ ireto toerana ireto isika: Miarinarivo, Ambatondrazaka, Fianarantsoa, Moramanga ary Sambava,. Koa manainga antsika hitondra am-bavaka, indrindra hanampy amin’ ny tolo-tànana sy fampitaovana hampandehanana azy ireo.

           Alahadin’ny Fifandraisana anio Alahady 24 Martsa 2019 araka ny hitantsika ao amin’ny Perikopa  eto amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Araka izany entanina isika fiangonana sy ny kristiana FJKM rehetra hitondra am-bavaka ny asa sahanin’ny Asa Fifandraisana sy ny Fampahalalam-baovao FJKM na ny AFIFAB amin’ ity andro anio ity na amin’ny fotoana maha-mety izany eo amin’ny fiainan’ny fiangonana tsirairay. Tena zava-dehibe aminay  izany eo amin’ny fanatanterahana ny asa satria mariky ny fiombonana eo amintsika.

            Anisan’ ireo asa izay tiana hampahafantarina koa mantsy :

-Ny Haino aman-jery izay misy ny  Famokarana fandaharana amin’ ny Televiziona sy ny Radio Fahazavana izay mifanerasera amintsika isanandro amin’ny alalan’ny fandaharana samihafa, tsy vitan’ny milaza ny vaovao tsara ho fantatra eo amin’ny fiainan’ny FJKM ihany fa fitaovana lehibe hitoriana ny Filazantsara sy hijoroan’ny FJKM ho vavolombelon’i Jesoa Kristy eto amin’ny firenena koa.

Ny gazety Marturia Vavolombelona mivoaka isaky ny tapa-bolana  ahitana lahatsoratra fandalinam-pinoana, vaovao samihafa momba ny fiangonana, famakafakana lohahevitra samihafa momba ny fanabeazana sy ny kolontsaina

-Ny tranonkala na ny « site web » FJKM  ahitana ireo vaovao samihafa sy ny tsara ho fantatra momba ny FJKM,

-Ny Arofenitra  izay fandrindrana sy fandaminana ny amin’ ny fandavorariana ny fotoan-dehibe samihafa eo amin’ ny Fiangonana: eo am-pandrafetana ny torolàlana momba izany ny AFIFAB  ankehitriny. Mandray anjara amin’ny fikarakarana sy ny fandaminana ireo fotoan-dehibe tanterahin’ny FJKM ao anatin’ny taona amin’ny alalan’ny arofenitra ny AFIFAB

            Manampy ireo , ny famokarana fandaharana amin’ny haino aman-jery  harahintsika any amin’ny fahitalavitra eto an-dRenivohitra. Misy  ny fanofanana ny tanora momba ny fifandraisana araka ny fotoana  mahamety izany sy ny fanomezana tantsoroka ny fitandremana  amin’ny alalan’ny fanofanana ilainy momba ny fifandraisana, fanaovan-gazety, famokarana fandaharana  amin’ ny Televiziona izay ataon’ny AFIFAB. Manentana antsika ihany koa hanangana ny rafitra AFIFAB isam-pitandremana hampita ireo vaovao samihafa aty amin’ ny Foibe AFIFAB sy hiandraikitra ny serasera ao anatin’ ny Fitandremana.

           Mahatoky izahay, ry havana fa  hanao ho zava-dehibe ny fanohanana izany isika rehetra araka ny tenin’ ny Tompo manao hoe: fa  Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany” Hebreo 6: 10a

Manonona ny fiadanan’ ny Tompo ho aminareo rehetra.

Ny Filohan’ ny Komity AFIFAB-FJKM                      Ny Talen’ ny AFIFAB

RAFANONERANTSOA Valisoa,Mpit         RAZAFIMALALA Tantely H.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV