Alarobia 13 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela  24.11-25

Tohin’ny tantara mampalahelo novakintsika omaly no hitantsika eto ka ampianarin’ny Tompo fa:

1-Tsy misy fahotana afa-maina akory .Marina fa efa nifona i Davida , nefa tonga ihany ny Tenin’ny Tompo ary nihatra ihany ny areti-mandringana .Tsy misy hafa amin’izany ny nanjo an’i Jesoa : tsy maintsy maty Izy rehefa natao ho ota hamonjy antsika (2 Kor 5.21). Ary fampitandremana lehibe ho antsika izany sao sanatria isika alaim-panajhy hisaina hoe:hataoko ity ratsy ity fa rehefa avy eo aho mifona.

2-Mahatratra ny hafa ny fahotana ataontsika . I Davida no nanota , nefa ny zanak’Israely no niharan’ny fandringanana. Ary izany hatrany ny fahotana: tsy misy fahotana izay ianao irery no iharan’ny valiny , fa misy fiatraikany ratsy any amin’ny hafa foana izany . Ohatra : i Adama no nanota , nefa ny tany no voaozona (Gen 3.17). Tandremo àary sao ny vady aman-janakao na ny fiangonana na ny firenena no hizaka ny vokatry ny fahotanao.

3-Azo onerana ny fahotana vita. Teto dia nifona indray i Davida , nefa nanao fanatitra koa izy. Mariho ny teny nataony hoe: »tsy hanatitra fanatitra dorana ho an’i Jehovah Andriamanitro amin’izay azoko fotsiny aho » (and24). Ny fanatitra tsara indrindra hanafaka ny fahotantsika anefa dia efa vitan’i Jesoa teo ambony hazo fijaliana (Heb 10.12).Haleloia!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV