Alatsinainy 11 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 23 .8-39

Lisitra lava mitanisa ireo olo-maherin’i Davida no novakintsika teto izay ampianarina antsika fa:

  1-Olo-mahery samy hafa izy ireo . Tao izay voatantara lava ihany ny zavatra nataony, toy ireo 3 lahy naka rano tao Betlehema (and13-17). Tao izay ny anarany fotsiny no voalaza (and25-39). Tao aza ny fanamarihana somary mandesoka kely hoe: »nefa tsy nahomby azy telo lahy teo izy »(and23). Izany no mampiseho amintsika fa na samy mpanompon’ Andriamanitra aza isika , tsy voatery hitovy voninahitra akory . Ary tsy tokony hanahirana antsika izany .

2-Tsy misy hadinon’ Andriamanitra akory ny olona manompo Azy. Ity no tokony havesatra ao am-pontsika rehetra. »Tsy foana tsy akory ny fikelezanareo ao amin’ny Tompo », hoy i Paoly (1 Kor 15.58). Fa izay maharesy dia ho hita ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany (Apo 3.5) . mahereza àry! fa ny zavatra vitantsika , na kely na be noho ny nataon’ny hafa dia samy sarobidy eo imason’ Andriamanitra . Fa « zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana , nefa ny Tompo dia iray ihany . Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa , nefa Andriamanitra dia iray ihany , izay miasa ny zavatra rehetra amin’ny olna rehetra » (1 Kor 12.5-6).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV