Alahadin’ny Sampana Sekoly Alahady 2018.

Fandaharana iombonana 

Alahady 09 Desambra 2018

« Mifalia amin’ny fitiavan’ny Tompo »

Litorjia 3

1-Hira faneva 50 Taona FJKM

2-Fiarahabana Apostolika 

3-Fiderana an’ Andriamanitra :Salamo 8

Hira 780

Vavaka fiderana sy fisaorana

4-Fankalazana ny  Tenin’ Andriamanitra 

Hira 785.1,2,3

Dimy minitran’ny Sekoly Alahady

Hira 212

Vavaka alohan’ny vakiteny

Vakiteny: Joela 2.21-27 / Lio 10.21-24 / 2 Kor 13. 5-12

Hira 786.1,4

Toriteny

5-Vavaka fiaikenkeloka (setrin’ny Tenin’ Andriamanitra

Hira 779.1,3

6-Teny famelankeloka: Jer 31.1-3/Sal 32.1-2

Hira774.3,4

7-Fanekempinoana Nikea-Konstantinopla

8-Filazana ny Raharahan’ny Fiangonana :

Tatitra/Fizarana diplaoma na vokatra

9-Rakitra . Hira : 776,778

Fanolorana ny Rakitra  . Hira 443.1,2

10-Famaranana 

Vavaka fangatahana

Tsodrano

Hira FF36

11-Vavaka mangina 

Trinite masina

………………………………………………………………………………………………………………………

TORITENY 

JOELA 2.21-27

Mihevitra ny olony Andriamanitra

Ny anarana hoe: Joela dia midika hoe: « mandrakizay Andriamanitra « . io anarana io dia manambara  indrindra ny hafatra nomen’ny Tompo tamin’ny mpaminany hoe : tariho ny Zanak’ Israely hahafantatra sy ho resy  lahatra fa Izaho no Andriamanitra mandrakizay ka na inona na inona zavatra manjo  ny  olona dia tsy hohadinoin’ny Tompo  velovely izany . Araka izany àry , nisy  tokoa ny zava-nanjo  ny Zanak’ Israely (jereo ny toko 1) noho ny  fahadisoany sy ny fahotany teo anatrehan’ Andriamanitra kanefa aoka ho ao an-tsain’ny olon’ny olona mandrakariva fa:

MIHEVITRA NY OLONY ANDRIAMANITRA 

1-Mivonona hanonitra ny rava Izy

2-Ataovy ho zava-dehibe ny fifandraisana Aminy 

……………………………………………………………………………………………………………………………

HAFATRA

Ry havana malala

Ampitomboina ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika

Ny Filoha sy ny Birao  ary ny Tonian’ny Sampana Sekoly Alahady Foibe no mamangy  sy mampahery antsika rehetra Mpitandrina,Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady isan’ambaratongan-drafitra sy ny Mpampianatra ary ny mpianatra  Sekoly Alahady  rehetra amin’izao Alahadin’ny Sampana Sekoly Alahady izao .

Isaorantsika Andriamanitra noho ny fitahiany sy fitantanany antsika ka nahafahantsika nanatanteraka ireo sahan’asa samihafa nanirahany antsika  « hanao ho mpianatra  ny firenena rehetra » na teto anivon’ny Sampana Sekoly Alahady Foibe izany,na teo anivon’ny Synodamparitany ary indrindra  tany amin’ny isam-pitandremana misy antsika . Ampaherezina hatrany isika mba hiseho tokoa fa isika dia « Sekoly Alahady miaina ny Tenin’ Andriamanitra sady mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy »

Ity Alahady ity no nomen’ ny Tompo antsika mba hitondrana amam-bavaka ny asa anirahany antsika sy ho fanohanana amin’ny alalan’ ny Rakitra . Koa aoka hataontsika  ho zava-dehibe izany . Misaotra antsika Sekoly Alahady isam-pitandremana nandrotsaka Rakitra taona 2017 . Isaorana ihany koa isika Sampana Sekoly Alahady Synodamparitany tamin’ny adidy iombonana nataontsika .

Faly misaotra an’ Andriamanitra isika fa mandroso tsara  araka izay nampijoroana azy ny Sekoly Alahady manomana mpampianatra (SAMM). Efa marobe ireo mpampianatra Sekoly Alahady nahavita fianarana navoaka tany amin’ny Synodamparitany .Ampirisihana hatrany izy ireny mba hazoto hanohy ny fianarana  araka ny fanekena  natao tamin’ny fotoana famoahana sy fanirahana . Entanina hatrany koa anefa isika rehetra mahatsiaro fa nantsoin’ny Tompo hanao ny asa fanompoana maha- mpampianatra Sekoly Alahady mba hiditra hianatra ao amin’ny SAMM any amin’ny Synodamparitany misy antsika . Tsarovy  fa tena mahasoa  antsika sy ny hahafahantsika mandroso hatrany amin’ny asa fanompoana ny fianarana any aminn’y SAMM.

Ireto misy hafatra manokana ho antsika

Mahakasika ny tetikasa Ankadiefajoro  dia efa tafajoro sy miasa ny komity. Tsarovy am-bavaka ny komity sy ny asa kasaintsika atao . Efa fikasantsika hatry ny  ela mantsy  ny hanangana ivo-toerana ho antsika Sampana Sekoly Alahady.Tohizo indray ny fanatanterahantsika Sampana Sekoly Alahady « anjara biriky » ho entina manatanteraka ny asa. Marihina fa hafa ny Rakitra ataontsika rehefa Alahadin’ny Sampana Sekoly Alahady Volana Desambra toy izao dia entintsika manao  ny sahan’asa  ankapoben’ny sampana Sekoly Alahady . Ezaka manokana ataontsika any amin’ny isam-pitandremana sy synodamparitany kosa ny anjara biriky ho aminn’y fananganana ivon-toerana eny Ankadiefajoro.

Ny Fihaonamben’ny Mpampianatra Sekoly Alahady FJKM dia hotanterahina ny 24-26 Aprily 2019 any Ambatolampy (SP Atsinanan’ Ankarattra Fahazavana) fa tsy any Miarinarivo araka ny efa fantatsika . Noraisina izao fanapahankevitra izao rehefa nifampidinika tamin’ny Prezidà Synodaly sy ny Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady SP Miarinarivo Fahazavana  izahay Biraon’ny Sampana Sekoly Alahady. Entanina isika mpampianatra Sekoly Alahady rehetra hiatrika izany .

Fotoam-panavaozana ny taona 2019. Hanavao ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany eo anivon’ny SP sy Fitandremana ary ny Foibe isika . Hiatrika izany isika Sampana Sekoly Alahady no fanavaozantsika hatrany ny fanolorantenantsika ho amin’ny fanompana ny Tompo .

« Manao veloma anareo rehetra . Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompontsika » . Filemona 23.25

Rakotondrasoa Harijaona Andriatsarafara , Mpitandrina

Mpitantsoratry ny fivoriana

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV