Zoma 19 Oktobra 2018.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 22.9-20

1-Natao laharam-pahamehana ny Tompo

Rehefa nandeha ireo firenen’i Robena sy Gada ary ny atsasak’i Manase dia ny hanorina alitara lehibe no nataony voalohany teo amin’ny zara taniny (and10). Ny alitara dia toeram-pivavahana ary zava-dehibe ny hanamarihantsika izany : ny fiainam-pivavahana sy ny  fiainam-panahiny no nahamaika azy ireo. Io  no toy  ny nanamarihany fa zara tany avy  amin’ny Tompo ary ho an’ny Tompo io taniny io. I Madagasikara koa dia atolotsika ho an’i Kristy , araka ilay teny malaza hoe: i Madagasikara ho an’i Kristy ary  tokony ho faharesen-dahatra ao am-pontsika Malagasy tsy ankanavaka izany , araka ny hiram-pirenentsika .

2-Olana tsy nampoizina (and11-20)

Nony nandre ny fisian’ilay alitara anefa ny taranak’Israely sisa dia nifamory hiady tamin’izy ireo . Dia gaga isika hoe: inona no antony ? Mazava ny antony : saropiaro tamin’ny fahadiovan’ny fivavahana amin’ny Tompo izy ireo . Nihevitra izy ireo fa hamerina  ny fahadisoana natao tao Peora (Nomery 25.3) na ny fahadisoan’i Akana (Josoa 7) indray ireo firenena ireo . Efa hita anefa  fa loza ho an’ny  firenena iray  manontolo no  vokany . Isika koa, sahia amin’ny fahatezerana masina hiaro ny fahadiovan’ny  finoana .

Ho an’ Andriamanitra irery  ny Voninahitra

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 2

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV