Alahady 14 Oktobra 2018.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

JOSOA 15.20-63 ; 16.1-10

1-Mitohy ny fizarana ny tany 

Ny  anjara tanin’ny  firenena taranak’i Joda sy ny taranak’i Josefa no hitantsika amin’ny teny  novakiantsika teto. Mariho fa voatonona avokoa ny  anaran’ny tanàna , fa vitsy  ny faritra misy azy fotsiny , izany hoe:tena vita  antsipirihany  ny fizarana ary tsy mety hiteraka tsy mazava any  aoriana . Tsy  zavatra mora akory ny manao  toy izany , saingy  nataon-dry i Josoa izany .Mila fanazavana tokoa manko  ny  mandamina ny  fiangonana . Mila fahalalana tsara ny faritra misy ny fanaovana izany. Raha mba nahavatra toy izany  isika ato amin’ny fiangonana, zavatra maro no   mety  ho matotra kokoa eo  amin’ny fitondram-piangonana .

2-Fiaraha-monina amin’ny  tompo-tany 

Eo amin’ny Josoa 15.63 dia voalaza fa « tsy naharoaka » ny Jebosita ny taranak’i Joda. Eo amin’ny Jos 16.10 dia voalaza koa fa  « tsy nandroaka ny  Kananita » i Efraima . Nahoana re? Tsy  manazava izany  ny teny eto, fa sarin’ny olana sedraintsika eo amin’ny fiainam-panahintsika izany na dia efa nanolo-tena ho  an’ny Tompo aza isika dia alaim-panahy hamela « zavatra taloha » hitampify ao amintsika ao ihany . Diniho àry!

Ho an’ Andriamanitra irery ny  Voninahitra

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 2

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV